Alahady 20 Jona 2021

Lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, dia Ilay (Jesosy) naseho teo amin’ny nofo. 1 Timoty 3:16

Nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy. Galatiana 4:4

Izy (ireo magy) nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany. Matio 2:11

 

Ilay Ankizy kely sy ny reniny

Teraka tany Betlehema Jesosy Ankizy kely. Nisy magy avy tany atsinanana, nahafantatra tamin’ny alalan’ny kintana ny nahaterahany, tonga hitsaoka Ilay ho mpanjakan’ny Jiosy. Nahare ny aminy anefa i Heroda mpanjaka. Feno fialonana izy, ka nikasa hamono Azy. Koa nomen’Andriamanitra toromarika i Josefa, mba hanafina Ilay Ankizy kely (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : Zazakely) sy ny reniny. Averimberina tsindrina io fiteny mampihetsi-po io, miverina inefatra, ao anatin’io toko io ihany. Izany dia manindry fa mila ny reniny ny ankizy kely, ary tsy sitrak’Andriamanitra ny hampisarahana azy ireo. Miankina tanteraka amin-dreniny tokoa mantsy izy, amin’izay rehetra ilainy. Ny reniny no mamelona sy mikarakara azy am-pitiavana. Asehon’ny Salamo 22 antsika mialoha ny fihetsehampon’io Zaza vao teraka io, rehefa minono amin-dreniny. Niteny tamin’Andriamanitra Izy hoe : „Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo ; nampandry ahy feizay Ianao, fony aho mbola nampinonoin’ny reniko” (Salamo 22:9).

Nefa io Ankizy kely nanetry tena io, nateraky ny vehivavy tahaka antsika rehetra, dia Ilay „Zanaky ny Avo Indrindra”, Ilay „Zanak’Andriamanitra” ihany koa (Lioka 1:32, 35). Io Zaza menavava marefo io dia tsy iza fa Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao. Ary na dia nampandriana tao anaty tavy fanisiana sakafom-biby (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fihinanam-bilona) aza Izy, dia Izy koa no mifehy ny fihetsehan’ny kintana sy ny vahindanitra, ary „mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” (Hebreo 1:3). Izy no nahary izao rehetra izao tamin’ny fahalalany, ary ny fahefany no mampaharitra azy ireny.

Tsy manam-paharoa ny nanafoanan’Ilay Mpahary antsika ny tenany, tamin’ny nahatongavany tao anatin’ilay tavy fanisiana sakafom-biby tao Betlehema ; izany no „zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”, zava-miafina lehibe tokoa !