Alatsinainy 21 Jona 2021
Jehovah tsy tao amin’ny horohorontany ; ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo ; nefa Jehovah tsy tao amin’ny afo ; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy. 1 Mpanjaka 19:11, 12
(Hoy Jesosy :) Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho. Matio 11:29
Ny fahalemem-panahy no tsiro fahavalo amin’ny vokatry ny Fanahy. Mahalana loatra isika no mba maneho azy io : tsy misy eo aminy na fitratrevatrevana, na hasiahana, na fangidiana. Ny fahalemem-panahy dia mampisy fahatsapana ho voaaro sy ho mahazo fampaherezana.
Andriamanitra dia Andriamanitra feno fahalemem-panahy ; „mitsoka malemy” ny feony, ary miseho amin’ny fitiavany sy fiantrany antsika ny fahalemem-panahiny. Izy dia miteny amintsika, ary mananatra antsika mihitsy aza, am-pahalemem-panahy (Jeremia 30:11). Raha mahafantatra ny fahalemem-panahin’Andriamanitra isika, dia hampian’ny Fanahy Masina mba ho afaka manome taratra vitsivitsin’izany.
Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia matetika ny fahalemem-panahy no ampifandraisina amin’ny fanetrentena, amin’ny fahari-po (Efesiana 4:1, 2), amin’ny tsy fanitrikitrihana hampanaiky ny zon’ny tena. Tsy afaka halemy fanahy raha feno avonavona.
Misy sehatra roa, ry namana kristiana, tena tokony hanehoantsika fahalemem-panahy indrindra : rehefa manana toeram-pahefana na mahery isika, na eo amin’ny fianakaviana izany, na eo amin’ny asa, eny fa na ao amin’ny fivoriana kristiana aza ; ary koa, rehefa miresaka momba ny finoantsika amina olona mbola tsy mpino. Aza manambany azy ireny ! Tsy haneho fahalemem-panahy izany (1 Petera 3:15), fa vao mainka aza ho porofo-na avonavona tena mampalahelo. Misy olona nandalo fotoan-tsarotra, ka nanalavitra ny finoana. Ndao hanampy azy ireny, mba hitohy hirehitra ilay lelafo kely (Galatiana 6:1). Ary aoka hotsarovantsika ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fahalemem-panahinareo (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fandeferanareo)” (Filipiana 4:5). Tsy iray amin’ireo toetran’i Jesosy ve ny fahalemem-panahy (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : hamoram-panahy) ? (2 Korintiana 10:1).