Talata 22 Jona 2021

Ary hoy Jesosy taminy : Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:15, 16

 

Iza moa aho ? Iza moa ianao ?

Nitsangantsangana tao amina zaridaina iray tany Dresdena i Arthur Schopenhauer, filôzôfa alemana (1788-1860), nitady valin’ireo fanontaniana nampitebiteby azy. Nahita ny fihetsiny toa hafahafa ity polisy iray, ka nanatona azy. — Iza moa ianao ? hoy izy nanontany azy tamina feo henjana. Nodinihin’i Schopenhauer ambony ambany izy.

— Raha mahay mamaly izany fanontaniana izany ianao, hoy izy, dia hankasitrahiko ho mandrakizay.

Na dia marani-tsaina fatratra aza ilay filôzôfa, dia tsy nahita valiny mahafa-po tamin’ny fanontaniana hoe : Iza moa aho ? Angamba satria Andriamanitra irery ihany no afaka manome ny valiny. Amintsika kristiana mantsy, ny fanontaniana hoe : „Iza moa aho ?” dia mifamatotra amina fanontaniana iray tena fototra, itaomana ny tsirairay mba hapetrany amin’ny tenany, eo anatrehan’i Kristy, hoe : „Iza moa Ianao amiko, ry Tompo ?”

Petera, rehefa avy namaly ny fanontanian’i Jesosy hoe : „Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?”, dia nahare ny Tompo niteny hoe : „Ianao no Petera…” (Matio 16:16, 18). Tamin’izay ity mpianatra ity dia nahalala hoe iza moa izy, tsy araka izay mety nahitany ny tenany, fa araka ny fahitan’i Jesosy azy.

Tsy mahatakatra marina aho hoe iza moa ny tenako, raha tsy rehefa miresaka am-pinoana amin’ny Tompo Jesosy, ary mihaino Azy.

Aza avela hamaritra ny maha ianao anao na ny hafa, na ny lamaody, na ireo marika. Safidio ny hamaly ny fanontaniana hoe iza moa ianao, rehefa nametraka ho ivo ilay fanontaniana faharoa, momba an’i Kristy, hoe : „Iza moa Ianao amiko, ry Tompo ?” Rehefa mahita ianao hoe iza moa Jesosy sady mitoky amin’ny fitiavany, dia hahalala ny tena maha ianao anao sy ny vinan’ny Tompo ho an’ny fiainanao.