Alarobia 23 Jona 2021
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko… eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano. Salamo 63:1
(Hoy Jesosy :) Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina, ho an’izay mangetaheta. Apokalypsy 21:6
Vao maraina dia nitaingina ny bisikiletany ry Paoly sy Jaona ary Fredy, ka lasa nitsangantsangana. Nidanika ny masoandro tamin’ilay faramparan’ny volana septambra, ka matin’ny hetaheta izy ireo, ary efa lany ny rano nentin’izy ireo.
Io eo misy tanàna ! Tsy maintsy misy fantsakana ao, hahafahan’izy ireo misotro rano sy mameno ny tavoahanginy. Indrisy anefa, fa ritra ny fantsakana voalohany hitany, ary tsy azo nosotroina ny ranon’ilay faharoa. Fa nisy mponina iray nitazana avy teo an-jaridainany, nahita ny hadisoam-panantenanan’izy telo lahy. Nasainy naka rano tao aminy izy ireo, ary nomeny torolalana vitsivitsy momba ny lalana tokony harahina.
Misy hetaheta iray hafa, mbola lehibe lavitra noho ny an’ireto tovolahy mpandeha bisikileta ireto, ary tsy ahitana fantsakana hanalana izany hetaheta izany. Firifiry moa ny olona mahatsapa ho mila fahazoana antoka, fampiononana, fampaherezana, fitiavana, fanantenana na fiadanana !
Valiny inona no mety ho hitan’izy ireo ao amin’ireo fantsakana eto amin’izao tontolo izao, amin’izao fiandohan’ny taonjato faha-21 izao ? Na ny mpitarika ara-pôlitika, na ny filôzôfa, na ny mpitarika ara-panahy, na koa ny olo-malaza, dia tsy misy afaka mamaly izany hetaheta izany. Tokana ihany ny valin’ireo filàna ireo, tokana ny loharano afaka manala hetaheta. Toy ny nolazain’ny Tompo Jesosy fahiny tamina vehivavy iray hitany teo am-pantsakana, dia mbola te hampitony ny hetahetanao Izy anio : „Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay” (Jaona 4:14).