Alakamisy 24 Jona 2021
Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha, sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy. Efesiana 6:17
„„Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra (amin’ny olona) ; fa… amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6:12), hoy ny apostoly Paoly tamin’ny kristiana tany Efesosy. Avy eo izy dia niresaka momba ny fiadiana eo am-pelatanan’ny kristiana, mba hiatrehany io ady io. Fiadiana roa no tiako horesahina, dia ny ampingan’ny finoana sy ny sabatry ny Fanahy.
Ny ampingan’ny finoana dia ny fatokiantsika an’Andriamanitra : rehefa misy eritreritra tsy finoana na hakiviana mipoitra ao an-tsaintsika, dia aoka hotsarovantsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy ny heriny ; ho foana izany eritreritra tsy finoana izany.
Ny sabatry ny Fanahy dia ny Tenin’Andriamanitra. Tena mahomby tanteraka io Teny io, mba hanafoana ny hafetsena sy haratsiam-panahin’ilay fahavalontsika, dia ny devoly, ilay mpandainga. Ny lainga ataony dia azo oharina amina balônina mibontsina be eo anoloan’ny orontsika : lehibe aoka izany izy ireo, ka toa ireo irery no hitantsika ; nefa fanjaitra iray fotsiny dia ampy hahavaky azy ! Ny tsirairay amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra dia fanjaitra lavorary azontsika ampiasaina mba „hanapoahana” tanteraka ny fanafihan’ilay fahavalon’ny fanahintsika.
Ndao ho vonona tsara ao anatin’ny adintsika, ka noho ny fahasoavan’Andriamanitra, omban’ny fanampiany tsy tapaka, dia handeha toy ny miaramila mpandresy. Ary na eo aza ny tsy fahombiazana sy ny tebiteby, ndao handroso, eo am-piandrasana ilay fotoana hahatongavantsika eo anilan’Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, Izay mikarakara antsika am-pitiavana sy fahendrena fatratra.”
araka an’i Maloud D.