Zoma 25 Jona 2021

Amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina ; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. Salamo 30:5

Na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany. Romana 14:8

 

Taratasy nosoratana tany am-ponja

Hafatra nampitaina kristiana nenjehina

„Amin’izao fotoana izao, dia fety etsy sy eroa. Manodidina anay dia ankalazaina ny Revôlisiôna, ary ianao kosa, anaka, androany, mankalaza ny faha-17 taonanao.

Ato amin’ny efitranokelin’ny fonjako aho dia miaina ny faha-43 taonan’ny fiainana niainako rehefa nanjary kristiana, ary anio aho dia mankalaza ny fiandohan’ny taona faha-8 itsapana ny finoako an’i Jesosy Kristy Tompontsika.

Fety sy fifaliana no ato anatin’ny foko. Isaorako Ilay Andriamanitro tiako, Izay nanao ahy ho mendrika ho atỳ am-ponja nandritra ny 7 taona mahery izao, noho ny fitiavako sy finoako ny Tompo. Isaorako ireo rahalahiko sy anabaviko kristiana, nanohana ahy tamin’ny vavaka nataony sy ny fitiavany, mba ho an’ny Tompo ny fandresena.

Anao tokoa izany fandresena izany, ry Jesosy nitsangana tamin’ny maty, ry Ilay Zanak’Andriamanitra, Anao Mpahary anay sy Mpanavotra anay.

— Ry zanako malala, ianao ve mba efa nitomany nandritra ny alina iray manontolo ? Nefa rehefa tonga ny maraina, dia misy fifaliana lehibe. Tsy ho ela isika dia hahita ny vokatry ny zava-tsarotra iainantsika, ary handray ny valim-pitia avy amin’ny Tompo.

Izany no fanantenantsika, ilay fanantenana mahatretrika hoe hiverina Jesosy. Halainy isika mba ho tafaraka aminy any an-danitra.

Nisy nanontany ahy, indray mandeha, hoe : „Inona no hataonao amin’ny fotoanan’ny fitsapana sy ny fahararintsaina ?” Izao no navaliko : Raisiko am-pifaliana ny zava-tsarotra, satria mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’i Kristy, Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Mehdi Dibaj (Iran), nigadra 9 taona, dia maty noho ny finoany