Asabotsy 26 Jona 2021

Ny anankiray maty amin’ny fahorian’ny fanahiny kosa, ka tsy mba nanandrana soa akory. Joba 21:25

Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Joba 22:21

 

Fomba hahazoana fahasambarana

Nisy adihevitra momba ilay horonan-tsarimihetsika hoe : „Ireo fomba hahazoana fahasambarana” ; ary nanome ny heviny ity mpandray anjara iray : „Amiko, tsy misy fomba manokana voafaritra mazava ; ny fahasambarana dia voarafitra fahatsapana ho mahazo aina sy sombintsombin-javatra madinika etsy sy eroa. Heveriko fa mora kokoa ny miresaka fahoriana, noho ny miresaka fahasambarana”. Asehon’izany fanambarana izany, fa tsy dia mahazo aina ilay nanao azy, ary azo heverina ho miaiky fa mbola tsy nahatsapa zavatra tsara kokoa noho ny fahafaham-po kely samihafa tsy misy tohiny. Ny teny hoe „fahasambarana” anefa dia toa mampahatsiahy zavatra lehibe kokoa noho ny fahafinaretana mandalo ihany ka tsy mitondra fifaliam-po maharitra !

Hazavain’ny Baiboly amintsika fa Ilay „Andriamanitra finaritra” (1 Timoty 1:11) dia te hampita ny fahasambarany amin’ireo rehetra mahatsapa ny fahabangana ao amin’ny fiainana eto an-tany sy ny maha zava-poana izany. Very ny fahasambarana tao amin’ilay paradisa tany am-piandohana, noho ny tsy fankatoavan’ireo ray aman-drenintsika voalohany, fa Andriamanitra kosa dia manomana antsika ho amin’ilay paradisa any an-danitra sy haharitra mandrakizay. Io paradisa io no nampanantenain’i Jesosy fa hidiran’ilay jiolahy nibebaka izay nohomboana teo anilany, ary ampanantenainy amin’ny olona rehetra miaiky aminy ireo fahadisoany sy manaiky ny famelan-keloka atolony. Ny fahasambaran’ny kristiana dia miorina amin’ny fahafantarany fa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tia azy satria zanany izy.

Aza mianina amin’ny „fahasambarana kely” tsimpontsimponina etsy sy eroa, fa matokia Ilay efa nanome toky hoe : „Ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po” (Isaia 65:14).