Alahady 27 Jona 2021
Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. Salamo 25:16
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena. Salamo 68:6
„Miaraka manirery. Teknôlôjia mitombo kokoa hatrany, fifandraisan’ny samy olona tsy mitsahatra mihena.” Izany no lohateny-na boky nosoratan’i Sherry Turkle, manam-pahaizana manokana momba ny fiantraikan’ny informatika amin’ny fifandraisan’ny samy olombelona. Mahagaga izany lohatenim-boky izany. Raha jerena maimaika mantsy, ny solosaina, „tablettes”, „smartphones” dia manamora ny fifampikasohana sy ny fifanenana. Mampisy fifandraisana tokoa izy ireny, saingy matetika tsy mahatonga fifamatorana matotra akory, fa fifandraisana mora ialana, tsy misy fifampiresahana lalina, tsy misy fifanakalozana tena izy sady mafana.
Na raitra toa inona aza ny teknôlôjia informatika, dia tsy afaka hampifanakaiky antsika ela. Tsy resaka ara-teknika tsinona ny maha manirery, fa resaka araka ny fo. Nanomboka tamin’ny tsy nankatoavan’ny ray aman-drenintsika voalohany an’Andriamanitra, tao amin’ny saha Edena, dia nihamafy ny fontsika. Izany hamafisam-po izany dia mahatonga antsika tsy hahatsapa ny fahamoram-panahin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika, ary matetika mahatonga antsika ho tia tena, tsy miraharaha ny fahoriana na fifalian’ny hafa. Mampifanalavitra antsika ny hamafisam-po.
Ny Vaovao mahafaly, izany hoe ny Filazantsara, dia Jesosy Kristy tonga avy any an-danitra mba handrodana ireo rindrina mampisaraka, manasaraka ny olona amin’Andriamanitra, manasaraka ny samy olona, ny samy firenena. Raha mino an’i Jesosy isika, dia homeny fiainam-baovao ny tsirairay. Dia hahita isika hoe hatraiza ny efa naha lavitra antsika an’Andriamanitra sy naha lavitra antsika samy isika, hahita izany, mba hiditra ao amina tena fifandraisana amin’Andriamanitra, izahy hoe fifandraisan’ny zanaka amin’ny Rainy. Ary hiaraka „isika rehetra” mpiray tam-po ao amin’ny finoana, hiaina ny fiadanana sy fifalian’ny ankohonan’Andriamanitra.