Alatsinainy 28 Jona 2021

Tanàna rava tsy misy manda ny lehilahy izay tsy mahatsindry ny fanahiny. Ohabolana 25:28

Amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana. 2 Petera 1:5, 6

 

Ny vokatry ny Fanahy : ny fahononam-po (10)

Efa fantatsika fa ny vokatry ny Fanahy dia fitambarana toetra tsara ara-panahy (jereo Galatiana 5:22, 23). Ireo toetra voalohany, fitiavana, fifaliana, fiadanana, dia mampitodika ny saintsika amin’Andriamanitra. Ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fahatsaram-po (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fanaovan-tsoa), ny toetra mahatoky (adika, ao amin’ny Baiboly, hoe : fahamarinana), ny fahalemem-panahy dia mahakasika ny namantsika. Ny fahononam-po kosa dia hery anaty ateraky ny Fanahy Masina, hery ahafahantsika miaina am-pahendrena sy amim-pahononana. Mila izany angovo ara-panahy omen’Andriamanitra izany isika, mba „ho hendry amin’izay tsara… ary tsy hiharo amin’izay ratsy” (Romana 16:19).

Ny fahononam-po dia mahasoa ny mpino, eo amin’ny lafim-piainany rehetra : tsy manaram-po amin’ny hanina, na amin’ny zava-pisotro, na amin’ny fahafinaretana, sns. Ankoatra izany, ny fahononam-po dia ilay hery ara-panahy ahafahany manohitra izay rehetra mety hanimba ny fijoroany ho vavolombelona, amin’ny maha mpino azy : toetra sasantsasany, firehetam-po sarotra fehezina sy mampijaly azy… Eo amin’ny zavatra iainana andavanandro, ny fahononam-po, izay vokatry ny aim-baovao noraisin’ny mpino avy amin’i Kristy, dia ahafahany miala amin’ny fandrika maro velarin’ny ota, ilay faka mbola ao anatiny.

Ny fahononam-po dia manampy koa hahita ny tena firindrana araka an’Andriamanitra, eo amin’izay tadiavin’ny vatana sy izay ilain’ny fanahy. „Tianao hankatò ny sainao ve ny vatanao ? Avelao àry ny sainao hankatò an’Andriamanitra”, hoy i Saint Augustin. Ny fahononam-po tsara dia manaiky ho eo ambany fahefan’i Kristy, eo amin’ny lafim-piainana rehetra. Mamefy sy miaro ny fiainan’ny kristiana izy, fa tsy lalàna manery. Ary mifanohitra amin’izany aza : „Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” (Galatiana 5:25).