Talata 29 Jona 2021

Ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana. Romana 6:14

Fa ao amin’i Kristy Jesosy, ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana. Romana 8:2

 

Miaina afaka

Tady mafy, hono, dia ampy hitazonana elefanta. Raha mbola kely tokoa mantsy izy no afatotra tsy tapaka eo amina hazo iray, dia tsy hiezaka intsony, amin’ny farany, hisintona ilay tady nefa tsy hahavaha ny fatorany. Ary rehefa lehibe izy dia tsy hanandrana hanafaka ny tenany intsony, fa hijanona raha vao mahatsapa fanoherana. Heveriny ho mbola mifatotra izy !

Ary ianao, ry namana kristiana, heverinao ho mbola mifatotra ve ianao ? Mihevitra ve ianao fa tsy ho afaka mihitsy amina fitondrantena iray ? na amina fahazarana na fiankinan-doha mangeja anao ? Sa angamba, voafatotry ny tsy fahombiazanao sy ny finoanoam-poananao ianao ?

Ndao vakina izay lazain’ny Baiboly : „Ny ota tsy hanan-kery aminareo ; fa tsy mba ambanin’ny lalàna ianareo, fa ambanin’ny fahasoavana”. Tsy voasazy ianao hifatotra foana eo amin’ny hazo, tahaka ilay elefanta kely ! Raha mino ny Tompo Jesosy ianao dia afaka mandresy, satria manana hery vaovao ao anatinao. Io dia ny herin’ny Fanahy Masina. Tsy avy amin’ny ezaka ataonao ny fandresena, tsy avy amin’ny sitraponao na ny fanapahan-kevitrao, fa avy amin’Andriamanitra.

Saingy ilain’ny Fanahy Masina ny fanekentsika, mba hiasany. Koa ny fanontaniana voalohany tokony hovaliana, raha te ho afaka, dia ny napetrak’i Jesosy tamin’ilay lehilahy nalemy, hoe : „Te ho sitrana va ianao ?” (Jaona 5:6). Ary teren’io fanontaniana io isika hisaintsaina tsara izay zavatra tena irintsika. Ny dingana manaraka, dia ny mamela an’Andriamanitra hiasa sy mahafoy ireo ezaka ataontsika. Ary ao amin’izany lalam-pitokisana izany isika dia hiaina ny fiadanan’Andriamanitra sy ny fanafahana amin’ny ratsy. Mety ho tonga tsikelikely izany, nefa azo antoka fa tena hisy.