Alarobia 30 Jona 2021

Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena ; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 1 Timoty 4:7, 8

 

Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra : fitsipi-pitondrantena

Tsy misy mandà fa ilaina ny fomba fiaina mitandro fahasalamana : mihinana antonona, matory mandritra ny ora maromaro, manao fanazaran-tena tsy tapaka ara-batana, na dia ny fandehanana an-tongotra ihany aza. Tena ilaina karakaraina ny vatana.

Nefa mbola ahazoana tombony mihoatra noho izany ny fizarana hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra, toy ny fizarana manao fanatanjahan-tena. Fiahiana ny fahasalaman’ny fanahy mantsy izany. Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia fifandraisana amin’Andriamanitra, fiainam-pinoana kojakojaina amin’ny famakiana Baiboly sy ny vavaka. Mitaky ezaka maharitra ny fikolokoloana io fifandraisana io, mila fitsipi-pitondrantena ampiharina isanandro.

Ny mpanao fanatanjahan-tena dia manana tanjona, ary manao izay rehetra azony atao hahatratrarany izany. Miaina anaty fifehezan-tena izy, manao fanazaran-tena tsy tapaka. Tsy mihambahamba izy, ary manaja ny fitsipika. Avelany an-jorom-bala izay rehetra mety hanelingelina azy.

Koa raha te hahafaly ny Tompo ny kristiana, dia tokony hikolokolo toetra tsara maromaro : tanjaka ara-panahy, fandavantena, fanekena ny sitrapon’Andriamanitra, fahatakarana ny asa anirahana azy. Ny kristiana dia mibanjina an’i Kristy, Ilay tanjon’ny fiainany. Tokana ny tanjony, ary fantany ny laharam-pahamehany. Ohatra tena tsara, tokony halain-tahaka amin’izany, ny apostoly Paoly manoratra hoe : „Zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 3:13, 14).