Alakamisy 1 Jolay 2021

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

 

Ny hatezeran’i Namàna

Tsara vakina : 2 Mpanjaka 5:1-14

Tezitra mafy i Namàna, ilay mpitari-tafiky ny mpanjaka syriana (900 talohan’i JK). Boka izy, aretina tsy hay nositranina tamin’izany fotoana izany. Nalefa izy ho any amin’i Elisa, mpaminany tao amin’ny Israely afaka hanasitrana azy, araka ny nolazaina taminy.

Tsy nanome azy ny haja mendrika ny sarangany i Elisa, fa naniraka olona hilaza zavatra noheveriny ho tsy azo nekena : „Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao” (izany hoe ho sitrana). Vao mainka izy tezitra mafy, satria nihevitra hahita ilay mpaminany, izy tenany mihitsy, hanatona hitsabo azy. Efa vonona izy handoa vola be, mba hikarakaran’io mpaminany io azy. Tsy tiany izany vahaolana noheveriny ho tsotra loatra izany ! Na izany aza anefa, dia nekeny ihany ny tenin’ny mpanompony, nandresy lahatra azy hanao izay nasain’ilay mpaminany hatao ; nitsoboka impito tao Jordana izy, ka indro fa sitrana tanteraka.

Misy aretina ratsy lavitra noho ny habokana, manjo antsika rehetra, dia ny ota, izay tsy maintsy mahatonga fahafatesana. Jesosy Kristy dia nandalo ny fahafatesana ho antsika. Maty Izy, mba hahazoantsika fahasitranana. Fijaliana lozan-tany taminy ireo ora nihantonany teo amin’ny hazofijaliana, nefa kosa fanafahana antsika amin’ny ratsy rehetra ao anatintsika ka mampisaraka antsika amin’Andriamanitra. Inona no tokony hataontsika mba ho sitrana ? Manaiky tsotra fotsiny ny fanafahana notanterahin’i Jesosy Kristy. Tsy miandry takalon’izany amintsika Izy, na inona na inona ; tsy mangataka antsika handray anjara amin’ny fanasitranana antsika. „Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).