Zoma 2 Jolay 2021

Hoy izy (Petera) : Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity ? Hoy Jesosy taminy : Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany ? fa manaraha Ahy ianao. Jaona 21:21-23

 

Tsy izany mihitsy no nolazainy !

Handeha hiakatra any an-danitra Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty. Nambarany tamin’i Petera fa ho faty maritiora i Petera. Dia nanontanian’i Petera an’i Jesosy izay anjara miandry an’i Jaona mpianatr’i Jesosy. Hoy Jesosy namaly : „Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany ?” Tsy azon’ny mpianatra tsara izany valinteny izany, ka niely ny tsaho hoe tsy ho faty i Jaona.

Koa nony maty ny apostoly Jaona, mba alaivo an-tsaina anie ny fahaverezan-kevitr’ireo kristiana nino izany tsaho izany e, sy ny fanontaniana mety napetrany, toy ny hoe : „Diso ve Jesosy ? Sa kosa efa niverina Izy ? Dia ho nadinony ve isika ?” … Toa inona moa, izay, ny voka-dratsy, ny fihozongozonan’ny finoan’izy ireo, noho izany tsaho tsy marina izany !

Fampitandremana manetriketrika izany, ho antsika. Maro ny hevi-diso niely teo amin’ny kristiana, satria noraisina ivelambelany fotsiny ny Tenin’Andriamanitra, ary mbola nampiana hevitry ny tena samirery aza. Ireny hevi-diso eken’ny maro ireny dia mety hiteraka fahavoazana lehibe eo amin’ny mpino. Mitera-doza ho an’ny finoana izy ireny, mahatonga fikorontanana sy savorovoro.

Ankehitriny ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra, dia feno, ary mandrafitra „ny Soratra Masina”. Izy, ary izy irery ihany, no manam-pahefana, ho an’ny kristiana. Izay rehetra ampian’ny olona ao dia tsy manana ny fahefan’Andriamanitra, ary mety handiso lalana tanteraka antsika.

Ndao hanao toy ireo kristiana ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly : ndao handinika isanandro ny Soratra Masina, mba hanamarinantsika izay rentsika (Asan’ny Apostoly 17:11).