Asabotsy 3 Jolay 2021
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Matio 28:19, 20
Ny fiainantsika dia feno fihetsika an-tsary : mandray tanana rehefa miarahaba, mitehaka mba hanehoana fankasitrahana, manangana ny sandry ho marika fandresena, manofahofa tanana mba hanao veloma, sns. Ny fihetsika an-tsary, izany, dia midika zavatra iray.
Ny batisa dia iray amin’ireo fihetsika roa milaza amintsika ny fahafatesan’ny Tompo Jesosy ; ny faharoa dia ilay sakafo naorin’ny Tompo ho fahatsiarovana Azy. Ny Fanasan’ny Tompo dia mifototra kokoa amin’ny maha Izy Azy an’i Jesosy, amin’ny nanolorany ny ainy sy ny nandresen’ny fitiavany. Ny batisa —fisitrihana ao anaty rano sy fivoahana avy ao- dia maneho ny vokatry ny fahafatesan’i Jesosy, ho an’ireo izay mino Azy.
Tamin’ny fotoana nanombohan’i Jesosy ny asa fanompoany tetỳ an-tany, dia efa fantatr’ireo mpianany mazava tsara ny batisa notorin’i Jaona Mpanao batisa, dia ny batisan’ny fibebahana, mba hahazoana famelan-keloka (Marka 1:5). Fa Jesosy kosa, raha vao nanomboka ny asa fanompoany, dia nanorina ny batisa „ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary Fanahy Masina” (Matio 28:19), ho an’izay rehetra mino Azy (Marka 16:16), ka manjary mpianany. Ny atao hoe mpianatr’i Jesosy, dia ny mankao an-tsekoliny sy mianatra aminy, Izy ilay Lehilahy malemy fanahy sady tsy miavona am-po. Ny batisa kristiana dia efa miresaka amintsika sahady momba izany.
Ary mampianatra antsika ny apostoly Paoly hoe : „Na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany. Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty… no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:3, 4).
(hitohy amin’ny heriny)