Alahady 4 Jolay 2021

Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Asan’ny Apostoly 2:32

Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:9

 

Velona Jesosy

Nanoratra ity mpanao gazety, ho dokam-barotra ho ana laharana manokana iray, hoe : „Ny manampahaizana rehetra dia mahazo antoka izao manaraka izao : eny, tena nisy tokoa Jesosy. Eny, niaina tany Galilia Izy. Eny, maty teo amina hazofijaliana Izy. Fa ny ankoatra izay ?”

Zava-dehibe fototra ny avalin’ny tsirairay manokana io fanontaniana io. Tsy izay hevitr’ireo lazaina ho manampahaizana tsy akory no tokony hitarika antsika. Hoy ny apostoly Paoly : „Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo” (1 Korintiana 15:17). Ny finoana kristiana dia tsy antokom-pivavahana nivoaka avy tamin’ny faminavinan’ny olona tsy akory, fa fahamarinana miorina amina zavatra nitranga.

Andriamanitra dia mampahafantatra ny tenany amin’ny zavatra ataony. Nahary izao tontolo rehetra izao Izy. Ny fiandrianany, ny heriny ary ny hatsaram-pony dia miseho araka izany, amin’ny voary manan-tsaina rehetra. Izy koa dia „naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4:9). Dia nasehony tamin’izany ny fitiavany antsika. Nilaina ny nahafatesan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjena olombelona. Izy dia „natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25). Tsy anganongano tsy akory ny fitsanganany tamin’ny maty, ary nomen’Andriamanitra ny porofo nilaina sy ampy, hahafantarana izany. Jesosy efa nitsangana ho velona indray dia hita-na vehivavy maromaro teo amin’ny fasana ; avy eo hitan’ireo apostoly ; manaraka izany, rahalahy (na mpianatra) mihoatra ny dimanjato no niara-nahita Azy. Ny finoan’ny mpino dia tsy miorina „amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra” (1 Korintiana 2:5). Izany finoana velona izany dia omena izay rehetra mino ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Ireo fahamarinana azo antoka ireo dia mitondra fiadanana sy fahasambarana ho azy ireo isanandro !