Alatsinainy 5 Jolay 2021
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tononkiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Kolosiana 3:16
Ny rainay dia tia nitantara zava-nitranga sasantsasany nandritra ny ady, ary anisan’izany ireo zavatra niainany nampihetsika ny sainy sy nampahery azy, na dia nampangirifiry mafy aza izany vanimpotoana izany.
Indray andro dia teny ambava ady ny andia-miaramila nisy azy, ary nitsidika azy ireo ny mpamatsy ara-panahy. Nomen’ny lehibeny lalana hivory ireo miaramilany izay naniry izany, tokony ho folo teo ho eo, tao anatina kirihitra kely teo akaiky, mba ho azo antsoina amin’ny fotoana rehetra, raha vao ilaina. Noresahin’ilay mpamatsy ara-panahy tamin’izy ireo ny Tompo Jesosy sy ny fampanantenany fa ho eo anilan’ny olony mandrakariva, na aiza na aiza. Rehefa avy namaky Baiboly sy nivavaka izy dia nanasa hanao hiram-pivavahana iray. Niray hevitra ny rehetra nisafidy ilay hira fantatra maneran-tany hoe :
Ny hirako izao, Ray be fitia :
Ny ho akaikinao bebe kokoa.
Izay, re, no hirako mandra-pahafatiko : …
Niakatra ny hira, menamenatra tamin’ny voalohany, zara raha heno ; avy eo, niha mafy ; ary farany dia tamin’ny feo mahery tanteraka no nihiran’ireo miaramila ny fiverenana hoe :
Akaikinao.
Niverina namonjy ny toerany ireo miaramila. Ary tsitapitapitrizay dia nanako teny amin’ny antokon’ny mpifanandrina koa ilay hira, nohiraina tamina fiteny hafa. Hiran’ny finoana izany, hira tsy voasakan’ny sisintany, hira mampiray ny mpino rehetra, ao anatina fiombonana iray eo ambany fiarovan’Ilay Ray iombonana, Ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika sy Tompontsika.