Talata 6 Jolay 2021
Tsy lany ny koba tao amin’ny barìka ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ny tavoara, araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Elia. 1 Mpanjaka 17:16
Andalan-tSoratra telo ao amin’ny Baiboly no mitantara amintsika an’i Elia mpaminany misakafo.
— Raha vao nanomboka ny fanompoany (1 Mpanjaka 17:5, 6), tamina fotoana nisy haintany tsy fahita, dia nikarakara azy tamina fomba mahagaga Andriamanitra : goaika no nitondra ho azy, avy any an-danitra, izay nilainy isanandro. Maro karazany ny sakafony, raha heverina ny hoe vanimpotoana-na mosary tamin’izay : mofo sy hena, indroa isanandro, miampy rano mangatsiaka. Mahatoky anie Ilay Andriamaniny e ! Ary Andriamanitra dia tsy mba miova, ka hamaly ilay vavaka hoe : „Omeo anay isanandro izay hanina sahaza ho anay” (Lioka 11:3). Samy ao anatin’izany ny sakafon’ny vatantsika sy ny sakafon’ny fanahintsika. Fantany isika tsirairay fa mila fifandraisana manokana aminy isanandro, amin’ny alalan’ny famakiana Baiboly sy ny vavaka.
— Taoriana kelin’izany (1 Mpanjaka 17:10-16) i Elia dia nampiantranoina vehivavy mananotena iray, izay nanome azy rano sy hanina. Nitoky tamin’i Elia sy tamin’ny Andriamaniny io vehivavy hafa firenena io. Niseho isanandro ny finoany, ary niainany ny maha Andriamanitry ny aina Ilay Andriamanitr’i Elia, taorianan’ny aretina nahazo ny zanany lahy sy ny nitsanganan’io zanany io tamin’ny maty.
Aorianan’ny fotoana iombonantsika amin’Andriamanitra ao amin’ny mangingina, dia hiaina eo amin’izao tontolo izao isika, hifampikasoka amina olona tra-pahasahiranana na mijaly, ary hijoro ho vavolombelona eo amin’ireo olona tian’Andriamanitra hokasihina. Sakafo ihany koa ny manompo an’Andriamanitra, ny manatanteraka ny asany. Niteny Jesosy hoe : „Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” (Jaona 4:34).
(hitohy rahampitso)