Alarobia 7 Jolay 2021
Jesosy… niantso nanao hoe : Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony… Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany. Jaona 7:37-39
„Ary… indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe : Miarena, ka homàna. Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan’ny lohany nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay, sy rano iray tavoara ; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray. Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin’i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe : Mifohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.” Tao anaty hakiviana lalina i Elia, ary avy tamin’ny tanan’ny anjely mihitsy no nandraisany mofo sy rano. Rehefa avy nanao zava-mahagaga lehibe hitan’ny olona rehetra i Elia, dia kivy ary nandositra, satria norahonan’ny mpanjakavavy ho faty. Fa Andriamanitra kosa nanome azy rano hosotroina sy hanina hohanina, ary nanavao ny heriny. Nampijoro azy indray Izy, nampianatra azy, ary nampanao raharaha vaovao azy.
Aorianan’ny fotoana iombonantsika amin’Andriamanitra ao amin’ny mangingina sy ny fotoana iasantsika eo amin’izao tontolo izao, dia mety hisy koa fotoana maha kivy antsika ; nefa mahatoky Ilay Andriamanitsika, ka tsy hamela antsika amin’izao. Hanome hery antsika Izy, hampijoro antsika indray, ary hamerina antsika ao amin’ny fanompoana Azy.
Misy zavatra iray itovizany ireo sakafo telo ireo : ny ranon’ny renirano, ny rano tao anaty siny, ary ny rano iray tavoara. Ao amin’ny Baiboly, ny rano madio dia matetika kisarisarin’ny Fanahy Masina, araka ny asehon’ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany. Mila sakafo isika : samy „mamelona” antsika avokoa Jesosy Kristy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny maha Izy Azy, ny fampianarany, ny fahagagana nataony, ny fihetsiny sy ny asany. Ary ilaintsika ihany koa ny ranon’ny Fanahy Masina, izay mampita ao anatin’ny fontsika ireo harenan’i Kristy, mamelombelona antsika, ary manova antsika mba hahatonga antsika hitovy bebe kokoa amin’Ilay Mpamonjitsika.