Alakamisy 8 Jolay 2021
Izay mino Azy dia tsy helohina ; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra izy. Jaona 3:18
Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana ? Sanatria izany ! Romana 6:1, 2
Ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, mpitarika ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, dia nitondra teo aminy vehivavy iray tratra nijangajanga. Tsy hoe nametraka olana tamin’izy ireo ny fahotan’io vehivavy io, fa nihevitra izy ireo hoe nahita anton-javatra hamandrihana an’i Jesosy. „Ao amin’ny lalàna”, hoy izy ireo, „Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany ; fa ahoana kosa hoy Ianao ?” Feno hafetsena ilay fandrika. Tsy maintsy misafidy Jesosy, na ny lalàna nankatoaviny, na ny fahasoavana nentiny. Tsy namaly Izy aloha. Nihevitra hoe nandresy ireo olona ireo, ary efa nankafy sahady ny fandreseny, ka sorena noho ny fanginan’i Jesosy. Nefa Jesosy nanipy zana-tsipìka niantefa tamin’ny fieritreretan’izy ireo, hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Toy ny niteny tamin’izy ireo Jesosy hoe : „Nanao fahotana tsy azo avela ity vehivavy ity, ary rariny raha helohina. Fa ianareo kosa ? Tsy meloka koa ve ianareo ?” Dia niala tamin-kenatra ireo mpiampanga.
Nijanona irery niaraka tamin’i Jesosy ilay vehivavy, azo antoka fa nahazo aina satria niala teo ireo niampanga azy. Saingy mety nitebiteby izy, nanoloana Ilay tsy nanana ota ka hany nanana zo hanameloka azy. Nefa nahare teny izy, teny tsy misy afaka manonona azy, afa-tsy Ilay Zanak’Andriamanitra irery ihany, hoe : „Izaho koa dia tsy manameloka anao ; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony”.
Azo atao ve ny manota, mba „hitomboan’ny fahasoavana” ? „Sanatria izany !” hoy ny apostoly Paoly. „Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao”, hoy ny Salamo 130:4. Famelan-keloka aloha, satria ny fahatsapana ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany, avy eo, no afaka manome antsika hery sy toetra mahatoky, hananana fitondrantena masina.