Zoma 9 Jolay 2021
Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany. 1 Timoty 1:15
Nanoratra ity minisitra vavy frantsay tany aloha hoe : „Andriamanitra dia ilain’ny olona. Ny fisiany dia mampahatsiahy mandrakariva fa tsy mahefa ny zavatra rehetra isika, mampahatsiahy ny didy ara-toe-panahy mba hitiavantsika ny namantsika, handraisana azy, hanampiana azy… Jesosy dia ilay zava-miafina hoe Andriamanitra tonga Olona. Izy dia fanehoana ny famelan-keloka teo amin’ny hazofijaliana, ary nanome ilay fampanantenana mahatalanjona tamin’ilay jiolahy nibebaka, voahombo teo anilany, hoe : „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43) … Teny famelan-keloka ihany no notononin’i Jesosy, tsy nisy teny fanamelohana ; ary rehefa mangataka izany famelan-keloka izany ny olona, dia mamaly ny fangatahany hatrany ny Tompo… Fantatro fa Jesosy dia velona eo ankavanan’ny Ray, ary kristiana an-tapitrisany no mahafantatra fa ny teniny dia velona ho an’ny rehetra.”
Fa ahoana moa Ilay Andriamanitra tsy misy fetra no tsy mitoetra ho zava-miafina ho ana zavamananaina voafetra toa antsika ? Satria Jesosy mampahafantatra Azy antsika ! Asehony antsika ny lalan’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ; ary izany famelan-keloka izany dia omeny izay miaiky fa naniratsira ireo lalànan’Andriamanitra sy miaiky fa mila fanasitranana anaty. Raha ny marina, dia izany no atao hoe fibebahana. Amin’ny alalan’izany no hahazoantsika fanantenana marina, fanantenana fiainana miaraka amin’Andriamanitra, manomboka dieny izao, amin’ny fihainoana ny Teniny, izay boky velona manova antsika sy mampita ny aina.
Angamba ianao tsy mahita ny tenanao ho toa olo-malaza iray. Nefa io fijoroana ho vavolombelona erỳ am-piandohana io dia afaka hanjary fijoroanao koa.