Asabotsy 10 Jolay 2021

Inona no hataonay ? Ary hoy Petera taminy : Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny helokareo ; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. Asan’ny Apostoly 2:37, 38

 

Ny batisa, mariky ny famelan-keloka (2)

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 2:22-39

Ireo olona nihaino ny apostoly Petera sy notaominy hatao batisa dia nitaky tamin’ny miaramila romana ny hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana. Ketraka izy ireo, nony tonga saina hoe nanao izany. Hoy i Petera taminy : „Mibebaha”, izany hoe ekeo ny fahotanareo, ialao, „ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny helokareo”.

Tsy midika tsy akory izany teny izany, hoe azo avy amin’ny batisa ny famelan-keloka. Maro tokoa mantsy ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Testamenta Vaovao, mampiseho mazava fa ny famonjena dia azo amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesosy (Jaona 1:12 ; 3:16 ; Asan’ny Apostoly 16:31 ; Romana 10:9). Ny batisa dia marika fa „navelany ny fahadisoantsika rehetra” (Kolosiana 2:12, 13).

Mazava, amin’ireo teny ireo, fa izany fahamarinana azo antoka izany no fototra iorenan’ny finoana kristiana. Tsy vitan’ny hoe voavela ny fahotantsika, fa voasasa ho afaka amin’izany koa isika (Asan’ny Apostoly 22:16). Aoka isika ho resy lahatra fa Andriamanitra dia efa namela heloka sy nanadio antsika, tamin’ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Aoka hatoky hatrany fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahasoavana.

Araka izany, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2, ireo izay natao batisa dia nampiseho fa nisaraka ampahibemaso tamin’ireo izay nanombo an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, ary niandany tamin’i Jesosy, nanomboka teo. Mbola marina mandrakariva izany : rehefa atao batisa isika, dia maneho ampahibemaso fa mipetraka eo ambany fahefan’i Jesosy.