Alahady 11 Jolay 2021
Fa izay itoeran’ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo. Lioka 12:34
Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. Matio 12:34
Ho an’ny maro amintsika, ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana dia mifamatotra amin’ny fahasalamana, ny fianakaviana, ny fananana, ny vola… Teo amin’ny vanimpotoana niroboroboan’i Roma nanjakan’ny amperora, ny zavatra nangatahin’ny vahoaka dia „mofo sy lalao”. Nandritra izany fotoana izany, dia kristiana marobe no nitebiteby lalandava sao voasambotra, ary tsy afaka nivory afa-tsy tany anaty fasana maizina any ambany tany. Tamin’izy ireo, ny tena zava-dehibe dia ny firaiketampo amin’ny Tompo sy ny tsy fandavana Azy. Maro tamin’izy ireny no vonona hiatrika ny fahafatesana, raha nilaina izany, noho ny tsy fivadihany amin’i Kristy.
Rehefa mamohafoha an-tsaina ny fijalian’ireny maritiora ireny isika, dia miaiky fa lavitra ny firaiketampon’izy ireny amin’Andriamanitra. Nefa, toy ireny mpino tamin’ny fiandohan’ny finoana kristiana ireny, dia manana aim-baovao isika, ilay aina nampitain’Andriamanitra tamintsika tamin’ny alalan’ny Tompontsika. Koa avy aiza ny fahasamihafana eo amintsika sy ireo kristiana voalohany ?
Henoy ny apostoly Paoly, nenjehina noho ny amin’ny Tompony, ary mampahatsiahy antsika ny zavatra namelombelona ny fiainany araka ny maha kristiana azy : „Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).
Izaho izay tian’ny Tompo, ny fiainako ve mba maneho fa „efa maty” aho ary velona miaraka amin’i Kristy ? Izany ve no zava-dehibe amiko sy miseho mazava amin’ireo izay akaiky ahy ary tsy manana fanantenana ? „Ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana” (Romana 13:11), mba hamirapiratanareo „tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao” (Filipiana 2:15).