Alatsinainy 12 Jolay 2021
Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo ; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo. Matio 10:19, 20
„Nandalo fitsarana samihafa aho, ary indray andro, taorianan’izany, dia nantsoina ho eo amin’ny tonian’ny faritra, lehilahy ratsy fanahy. Hoy ny vadiko tamiko : ”Ho fahagagana avy amin’Andriamanitra, raha tafaverina soa aman-tsara ianao„. Nampiandrasin’ilay tonia adiny iray tao an-dalantsara aho, avy eo nanirahany olona hilaza amiko hoe te hahita ahy izy. Dia mbola nivavaka indray aho, hoe : ”Ianao, ry Tompo, no midira voalohany. Matahotra aho ny ho ao, raha tsy miaraka aminao„. Hoy ilay mpiasam-panjakana tamiko : ”Efa ho azoko nampidirina an-tranomaizina ianao, noho ny nataonao, saingy te hahita anao aho aloha. Nandeha tany Cluj ianao, ary nitoriteny tsy nahazo lalana„.
Fantatro ny tiany nolazaina. Nitoriteny tamin’ny mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Cluj tokoa mantsy aho. Nampahereziko izy ireo mba hitoetra ho mahatoky. Niresahako herim-po izy ireo, satria norahonana horoahina tao amin’ny Oniversite, raha mbola mino an’Andriamanitra ihany.
Nolazaiko tamin’ilay niresaka tamiko fa adidiko ny mitory ny Tenin’Andriamanitra. Nanomboka nandrahona ahy izy. Nahagaga anefa, fa arakaraka ny nandrahonany ahy no nampitombo ny fiadanan’Andriamanitra nameno ny foko. Teo aho, nipetraka tam-pahatoniana, nifaly fa mba norahonana noho ny finoako an’i Jesosy Kristy. Tampoka teo dia tsapan’ilay niresaka tamiko fa tsy afaka hampitahotra ahy izy. ”Tsy matahotra ve ianao ?„ hoy izy nanontany ahy. Avy nampahery ireo mpianatra aho, mba hananan’izy ireo fahasahiana, ka inona no ho azoko navaly ? Dia nanampy izy hoe : ”Manana zavatra hafa holazaina ve ianao ?„ Nolazaiko azy fa tia azy koa Andriamanitra. Dia hitako izy nitampify tao ambadiky ny biraony, ary nangataka tamiko mba hivavaka ho an’ny fanahiny.”
Nicolae Gheorgbita (Roumanie)