Talata 13 Jolay 2021
Ny lohasaha rehetra hototofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ary ny meloka hahitsy, ary ny làlana mikitoantoana hohamarinina ; ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra. Lioka 3:5, 6
Imbetsaka, tao anatin’ireto taona faramparany ireto, no nisy tafiodrivotra mahery namely faritra tatsy na taroa eto amin’ity bolan-tany ity, ka nitarika ranonorana mahery vaika, nampihotsaka tany, nandavaka hantsana goavana. Eo amin’ny fiainantsika ihany koa, indraindray, dia mety misy hantsana be : fahoriana, famoizampo, fahafatesana olon-tiana…
Ny Baiboly dia tsy mangina fotsiny tsy miresaka izany fijaliana izany. Misy boky iray manontolo aza ao, miresaka momba izany, dia ny bokin’i Joba. Mampitandrina antsika io boky io, mba tsy ho kinga isika hanao fanazavana tsotsotra toy ny hoe : „Iharam-pahoriana ianao satria nanota”. Hitantsika ao koa fa tao anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahoriana i Joba dia niharan’ny toa fanginan’Andriamanitra. Ary ho an’izay mijaly, dia tena lozan-tany io toa fanginana io… izay maha resy lahatra ny mpino, fa tsy „fandaozana” na oviana na oviana.
Fanambaran’Andriamanitra izany, ary hazavain’ny Filazantsara lalindalina kokoa. Tonga avy any an-danitra Jesosy, nanatona ireo izay nijaly. „Nivesatra ny fahoriantsika [Izy]” (Isaia 53:4). Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nijaly hatrany amin’ny fahafatesana, nitondra ny fahotantsika rehetra toy ny hoe fahotany, mba hamonjeny antsika avy ao amin’ny hantsana nanasaraka antsika tamin’Ilay Andriamanitra fitiavana.
Ho an’ny kristiana dia ny hazofijalian’ny Tompo Jesosy no valiny nomen’Andriamanitra ireo fanontaniana mampitebiteby ny zanak’olombelona, ny hazofijaliany no hany valiny mahatototra ireo hantsambe ao anatintsika.
„Niandry dia niandry an’i Jehovah aho ; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Dia nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin’ny fotaka mandrevo ; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy” (Salamo 40:1, 2).