Alarobia 14 Jolay 2021
Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31
Basile, mpibata fonjam-by, dia efa teo an-tampony, nandritra ny taona vitsivitsy, tamin’ny resaka fanatanjahan-tena. Avy eo dia voasakan’ny aretina sy ireo loza nahazo azy izy, hany ka voatery namoy ny fanatanjahan-tena ary nanomboka niasa tao amina orinasa. Alex, izay kristiana, dia miasa ao koa. Indray andro dia hoy izy tamin’i Basile :
— Katolika ianao, nefa tsy mahafantatra ny Baiboly akory ! Hifanamby isika ? Nandona mafy ilay mpanao fanatanjahan-tena fahiny izany fanamarihana izany. Rehefa nody tany an-tranony izy, nony nirava, dia nikaroka ny Baiboliny, izay nipetra-potsiny teo ambony talantalana. Tao anaty herinandro vitsivitsy dia voavakiny manontolo ilay Baiboly.
Indray alina manontolo aza, niari-tory izy namaky ny Baiboly. Nony maraina, rehefa handeha hiainga hiasa izy dia tara ary tsy nahatratra ny fiarambahoaka fandehanany. Hoy izy anakampo : Mandehana ihany, na izany aza, fa ho tonga ara-potoana ianao. Dia nivavaka tamin’Andriamanitra i Basile, hoe : Raha tena misy tokoa Ianao, dia asehoy ahy izany androany. Tsitapitapitrizay dia nisy fiarambahoaka tsy nisy olona, nanatona azy ary nijanona tampoka. Nisokatra ny varavarana, hidiran’ilay mpanao fanatanjahan-tena, izay azo antoka fa fantatr’olona ; ary tsy niloa-bava akory i Basile, dia naterin’ilay fiarambahoaka tany am-piasany.
Niseho mivantana taminy Andriamanitra ! Tsy ela taorianan’izay dia nanenika an’i Basile ny hafatry ny hazofijaliana. Nahatsapa izy fa mpanota, ary nandray tam-pinoana ny famelan-keloka avy amin’i Jesosy Kristy, Izay nanao azy ho olo-navotany ary koa mpianany. Noresahin’ny tamin’ireo mpiara-miasa aminy ny finoana vao nahatongavany. Taorianan’izany dia nisy fifohazam-panahy marina, nipoitra tao amin’ilay orinasa, vokatra fehezan-teny kely nolazain’i Alex.