Alakamisy 15 Jolay 2021
Izay mahambim-bava no miaro ny ainy ; fa izay vavàna dia haringana. Ohabolana 13:3
Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ny vavako ; ambeno ny varavaran’ny molotro. Salamo 141:3
Fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa. Ohabolana 12:18
Vao tsy ela izay, dia nisy namako vavy iray niresaka tamiko hoe mibahana ao an-tsaina ankehitriny ny tokony hanaraha-maso izay zavatra hohanina, ary miha mahaliana kokoa hatrany ny resaka fahaizan-tsakafo. Nefa tato ho ato, hoy izy nanampy, dia nanahiran-tsaina ahy kokoa ny teny aloaky ny vavako noho ny hanina miditra ao. Kristiana io namako io, ary izany teniny izany dia akon’ilay tenin’i Jesosy hoe : „Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy ; izany no mahaloto ny olona” (Matio 15:18-20).
Izay lazaintsika, matetika, dia maneho izay eritreretintsika : koa ilaina ny mianatra mitsara ireo eritreritsika masiaka na maloto. Mety handratra ny hafa ihany koa izay lazaintsika : „Misy mandefalefa teny tsy tsaroana, ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra” (Ohabolana 12:18). Ny teny tsy marina, mihatsaravelatsihy, ratsy, dia mandratra ny hafa toy ny sabatra, ary mandratra antsika ihany koa.
Nefa isika raha manaiky hitandrina ny teny ataontsika, sady mandanjalanja ny antony ilazantsika izany, dia hamokatra ilay vokatry ny Fanahy Masina antsoina hoe fahamoram-panahy. Aoka àry hangatahintsika Andriamanitra mba hanisy „fiambenana” eo anoloan’ny vavantsika sy hanampy antsika hiambina „ny varavaran’ny molotsika”. Amin’izay ny tenintsika dia afaka hitondra fihavanana, fa tsy fifandirana. Ho amin’izany, dia ilaintsika raisina tsara isanandro, avy amin’ny famakiana Baiboly, ny fahazavan’ny aina.
„Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana” (Efesiana 4:29).