Zoma 16 Jolay 2021

Ianareo… dia mpanompon’izay arahinareo. Romana 6:16

Raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36

 

Ho aiza ianao ?

Nandeha hody any an-tranony ity lehilahy iray, na ny marimarina kokoa, nanandrana hody. Ny famindrany mivembena dia nahitana fa mamo izy. Mponina efa ela tao an-tanàna izy, nefa tsy nahafantatra ny lalana mankany an-tranony. Sady niteny ratsy izy no niteny tamina mpandalo hoe : „Diso lalana aho ; aiza no alehako ?”

Kristiana nahafantatra azy io olona nitenenany io. Hentitra izy namaly azy hoe : „Mandeha any amin’ny faharavana ianao, mankany amin’ny helo !” Nibanjina azy vetivety ilay lehilahy, dia nisento, niteny hoe : „Marina ny anao !”

Naterina tany an-tranony izy, dia nandry ; nefa tsy nahita tory. Nanaraka azy ireo teny mampangorohoro ireo : faharavana, helo… Tsy maintsy nanaiky izy fa marina izany. Naverimberiny imbetsaka ny hoe : „Mankany amin’ny helo aho”. Nampifoha ny fieritreretany izany fiheverana hoavy mampihoron-koditra izany, ka nitarika azy hiaiky ny fahotany tamin’Andriamanitra sy handray ny famelan-keloka avy aminy. Toy izany no nahatonga azy ho kristiana ; dia afaka tsikelikely izy avy eo, ary sitrana tamin’ny fiankinan-dohany.

Ny finoana ny Tompo Jesosy Kristy no mitondra ny tena fahafahana. Jesosy Kristy dia manafaka, tsy amin’ny fanamelohan’ny ota ihany, fa amin’ny fanandevozany koa.

Andriamanitra dia manova izay mandray ny Zanany ho Mpamonjy azy. Dia omen’Andriamanitra azy ny fahafahana manohitra ny ratsy sy ny fironana amin’izany. Tsy tian’Andriamanitra isika hianina hiteny fotsiny hoe : „Olo-mahantra aho ! iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?” Tiany ny hanome antsika ny fandresena ny ota, sy ny hampiteny antsika am-pankasitrahana hoe : „Misaotra an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 7:25).