Asabotsy 17 Jolay 2021
Na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany. Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Romana 6:3, 4
Ao amin’ny Romana 6 ny apostoly Paoly no manome ny fampianarana momba ny batisa, ho an’ny kristiana tany Roma, ho valin’ny fanontaniana hoe : „Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika, hitomboan’ny fahasoavana ?” Hentitra ny namaliny izany : „Sanatria izany !”
Teboka efatra no anazavany ny valinteniny :
— Tsy mifanaraka amin’ny nampitovina antsika amin’i Kristy izany (Romana 6:1-11).
— Ny manota dia manjary hay sorohina, satria efa resin’ny fahasoavana ny herin’ny ota (and 12-14).
— Tsy tokony holeferintsika eo amin’ny fiainantsika ny ota, satria hanjary mpanapaka antsika (and 15-19).
— Mitarika ho amin’ny fahafatesana ny mizatra manao fahotana (and 20-23).
Araka izany, ny batisa dia famantarana fa efa nampitovina amin’i Jesosy ao amin’ny fahafatesany isika, mba ho afaka miaina fiainam-baovao. Amin’ny maha kristiana antsika, dia maty isika mba ho velona : maty ny amin’ny fomba fiainantsika taloha, izay nifototra tamin’ny tena samirery, tamin’ny fitiavantena, tamin’ny lainga, tamin’ny fitsiriritana isan-karazany… Izany rehetra izany dia efa niara-nalevina tamin’i Jesosy avokoa. Izany no ambaran’Andriamanitra, ary ampirisihina isika hiaina izany fiaina vaovao izany : „Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 6:11). Eny, manomboka izao dia izany no fijery vaovao asaina ijerentsika tena, fijerin’ny finoana, mba ho hentitra ny fahitantsika ny tenantsika ao amin’i Kristy, sy mba ho velona amina fomba vaovao isika, velona amina fiainam-baovao. Velona mba ho Azy.