Alahady 18 Jolay 2021
Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy. Efesiana 2:4, 5
Azo lazaina hoe velona ara-panjakana ve ny olona iray, raha efa nambaran’ny manampahefana fa maty ? Niely vao haingana tany amin’ny haino aman-jery izany fanontaniana izany.
Nisy lehilahy iray tsy hita izay nalehany, ka roapolo taona tatỳ aoriana dia nambara fa maty. Tamin’ilay fotoana tsy nahitana azy intsony, dia tsy nanana asa izy, narary, ary rava fananana. Dimy amby roapolo taona tatỳ aoriana anefa, dia nipoitra indray izy, salama tsara na ara-batana na ara-bola. Notakiny ny hanafoanana ny fanapahan-kevitra nanambara azy ho maty araka ny lalàna. Nefa nampahafantarina azy fa tsy azo natao izany raha tsy tao anatin’ny telo taona taorianan’ny fanambaran’ny fitsarana…
Momba ny fiainana ara-panahy kosa (izany hoe ny fifandraisantsika amin’Ilay Andriamanitra Mpahary antsika), dia mifanohitra tanteraka amin’izany, satria azo atao tsy misy fe-potoana ny miverina amin’ny fahavelomana. Andriamanitra dia manambara fa „maty” ara-panahy ny olona rehetra, raha mbola te hiaina tsy misy Azy. Ny ota dia nitarika ny fahafatesan’ny vatantsika, ary koa nampisy ny ratsy ao am-pontsika sy eo amin’ny fitondrantenantsika.
Meloka eo anatrehan’Andriamanitra isika, ka tsy misy fanantenana ho antsika intsony ve ? Misy dia misy tokoa : tena halan’Andriamanitra ny ota, nefa kosa tiany ny olona noarìny. Nirahiny Jesosy Kristy Zanany, mba hizaka ny famaizana mendrika ny fahadisoantsika ; ary omeny ny fiainana mandrakizay ireo izay mandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy azy manokana. Izany no mampisy olona „efa maty”, manjary velona ho an’Andriamanitra. Tsy maintsy „ateraka indray”, raha te hahatakatra izany, hoy ny Tompo tamin’ireo izay nikatsaka ny hahatakatra hoe iza moa Izy. Izany fahateraham-baovao izany dia fahasoavana vokatry ny fitiavan’Andriamanitra antsika, fitiavana tsy misy fetra. Tsy mendrika handray izany isika, koa izany no mahatonga antsika ho feno fankasitrahana an’Andriamanitra, amin’ny fontsika manontolo.