Alatsinainy 19 Jolay 2021

Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19

 

Safidy ratsy

Tsara vakina : Matio 19:16-24 ; Marka 10:17-23

Nanankarena, nanana fahaizana, tsy nanan-java-mahory, ary tena mpivavaka aza ity tovolahy iray, tonga mba hanontany an’i Jesosy. Tsy ampy azy anefa izany toe-piainany izany, ary nisy fanontaniana iray nanahiran-tsaina azy. Afaka hanampy azy hamaly izany ve Jesosy avy any Nazareta, ilay mpaminany henony noresahin’ny olona ? Nanontaniany Jesosy hoe : „Mpampianatra ô, inona no tsara hataoko, hahazoako fiainana mandrakizay ?”

Nitady fahamarinana azo antoka momba ny fiainan-ko avy ve izy ? Inona avy ireo fepetra takin’Andriamanitra ? Sa kosa tonga saina izy ? Na, indray andro any, tsy maintsy hilaza amin’Ilay Andriamanitra Mpahary iankinan’ny ainy, hoe inona no nampiasany ny fananany sy ny fiainany ?

Nefa Jesosy dia nijery azy tam-pitiavana, ary tsy nisalasala namaly azy. Fantany ny tena olana tao amin’io zatovo io, ka nopotsiriny : nasainy namidy sy nomena ho an’ny mahantra ny fananany rehetra.

Nalahelo ilay tovolahy, tsy namaly, ary niala satria nandevozin’ny harenany : tsy izy no nifehy ny harena, fa ny harena no nangeja azy. Tsy hay atao tokoa mantsy ny manompo tompo roa, ka sady hanompo an’Andriamanitra no hanompo ny vola, ilay andriamanitry ny harena (Matio 6:24). Tsy hanan-kery mihitsy ilay tovolahy hampitsimbadihany ny mari-pandrefesana ny soatoavina eo amin’ny fiainany, raha tsy miaiky ny fitiavan’i Jesosy sy ny fahamarinan’ny hafatra nentiny. Tsy fantany fa nangeja ny fony ny harem-beny, ary tokony hahatonga saina azy, hahafantatra izany, ny zavatra nangatahin’i Jesosy taminy. Mba nitera-bokatra teo aminy ve izay io fihaonana io rehefa lasa nody izy ?

Anio, raha mahare ny feon’Ilay Mpampianatra ianareo, dia aza manamafy ny fonareo.