Talata 20 Jolay 2021
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka. Lioka 18:1
Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 1 Petera 3:12
Indray hariva dia nisy kristiana tafavory mba hivavaka. Olona vitsivitsy, reraky ny tontolo andro, no teo. Toa halahelohelo ny fivoriana, kanjo nitsangana ny lehilahy zokiolona iray, nandray fitenenana :
„Ry namako, mba te hizara aminareo antom-pifaliana lehibe iray aho androany. Dimy amby enimpolo taona lasa izay, dia nandohalika aho, teo anilan’ny fandrianan’ny reniko, izay niteny tamiko hoe : ”Ianao irery, ato amin’ny ankohonantsika, no mahafantatra ny Tompo Jesosy. Apetrako aminao ny rainao sy ireo rahalahinao. Mivavaha ho azy ireo isanandro, mandra-paha voavonjy azy ireo„. Anikeheo maraina aho dia naharay taratasy avy tamin’i Robert, rahalahiko hany mbola velona. Izao no fiandohany : ”Ry rahalahiko malala, vaovao faran’izay tsara no lazaiko anao : nandray an’i Jesosy ho Mpamonjiko ihany aho, nony farany„.”
Nanova tanteraka ny manodidina iainana tao amin’ny fivoriana izany tantara izany. Samy nahazo hery ny tsirairay, nahatsapa indray fa tsy zava-poana tsy akory ny fivavahana amin’Andriamanitra. Ny tohin’ilay taratasy dia nilaza fankasitrahana lehibe ity rahalahy naharitra nivavaka nandritra ny dimy amby enimpolo taona, mba hitodihan’i Robert amin’ny Tompo Jesosy. Ary indro, tamin’io takariva io, fa nohavaozin’izany fandresen’Ilay Andriamanitra Mpamonjiny izany ny hafanam-pon’ny tsirairay mba hisaotra sy hankalaza Azy.
Na dia ela aza indraindray Andriamanitra vao mamaly antsika, araka ny fahendreny, dia tsy manadino ny vavaka ataontsika. Indraindray isika dia mivavaka mandritra ny taona maro ho ana havantsika, nefa tsy mahita fiovana. Toy io kristiana zokiolona io, dia aoka hotsarovantsika fa mahatoky ny Andriamanitsika, ka ndao haharitra mivavaka. Mihaino mandrakariva ny vavaka ataontsika Andriamanitra, ary hamaly izany amin’ny fotoana voafidiny.