Alarobia 21 Jolay 2021

Aza matahotra ianao… Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho… raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, ary tsy hirehitra aminao ny lelafo. Isaia 43:1, 2

Mihoatra noho ny rano sady be no mahery… Jehovah. Salamo 93:4

 

Niaraka taminy tao anaty lafaoro misy afo mirehitra

Nampamboatra sariolona volamena ngezabe i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ary nandidy hoe : „Rehefa mandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba… ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ny sariolona volamena… Fa raha tsy mety mivavaka… ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra ; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tànako izany ?” (Daniela 3:5, 15).

Nisy tovolahy vitsivitsy azo babon’io mpanjaka lozabe io, tsy mba nety nankatò ilay didy. Tsy nampihodina azy ireo tsy hankatò ny Andriamaniny ny fandrahonana. Tsy niankohoka teo anatrehan’ilay sampy natsangan’ity mpanjaka mahery izy ireo. Naverin’ilay mpanjaka tamina zatovo hebreo telo azony babo ny didy, mba hiankohofan’izy ireo eo anatrehan’ilay sariolona. Nahafinaritra aoka izany ny valintenin’ireo : „Tsy misy antony tokony hamalianay anao akory, ny amin’izany zavatra izany… Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra, sady hamonjy anay amin’ny tànanao”. Romotry ny hatezerana ny mpanjaka, ka nasainy nohafanaina faran’izay mahamay ny lafaoro, ary natsipy tao ireo vavolombelona telo mahery fo ireo. Saingy tsy navelan’Andriamanitra hikasika azy ireo ny afo. Ary mbola nahatalanjona noho izany aza : nisy olona tsy fantatra, avy any an-danitra, tonga niaraka tamin’izy ireo tao anaty lelafo.

Mazava ho azy, ho hain’Andriamanitra natao ny nanakana ny hanipazana ireo mpanompony tao anaty afo. Nefa tsara kokoa ny miaina ny fanatrehan’Andriamanitra ao anaty fitsapana, noho ny hoe arovana mba tsy hiharan’izany. Hain’ny Tompo tsara ny manakana aretina izatsy, na olana izaroa, na loza tampoka, mba tsy hihatra amintsika. Tsy izany foana anefa no ataony, saingy tanterahiny lalandava ilay fampanantenany hoe : „Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Mandrakariva ! Isanandro, izany hoe amin’ireo andro heverintsika hoe ratsy sy ireo lazaintsika fa tsara.