Alakamisy 22 Jolay 2021
Niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, izay nampisondrotra ny onjan-drano ; niakatra hatramin’ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ny lalina ; ny fanahiny levona noho ny fahoriana… Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka nampiala azy tamin’ny fahatereny Izy. Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Salamo 107:25-29
Nandefa ny mpianany ho eny ampitan’ny farihy Jesosy, nefa tsy nandeha niaraka taminy tao an-tsambokely. Nisy tafiodrivotra mahery nitranga, ka sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely. Hitan’i Jesosy ny fahorian’izy ireo, ka nandeha teny ambony rano Izy, mba hanatona sy hampitony azy ireo. Fa natahotra mafy kosa izy ireo, satria nihevitra ho nahita matoatoa. „Dia niantso izy noho ny tahotra. Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’izay hoe : Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.” Tsy tiany navela ho raiki-tahotra ny mpianany, ka niaraka tamin’izay Izy dia niteny mba hampatoky azy ireo. Nampitony azy ireo avy hatrany ny feony, na dia mbola nirohondrohona ihany aza ny tafiotra.
Noho ny tenin’ny Mpampianatra azy, dia niala tao an-tsambokely i Petera mba hanatona an’i Jesosy, ka nandeha teny ambony rano koa ! Tampotampoka teo anefa dia raiki-tahotra indray izy, nahita ny onjan-drano sy ny herin’ny rivotra. Nanomboka nilentika izy, ka niantso vonjy. „Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe : Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao ?” Tsy navelan’i Jesosy hilentika bebe kokoa i Petera, fa niaraka tamin’izay dia novonjeny ; ary rehefa afa-doza izy vao vonona handre ny fanakianana feno fitiavana nataon’i Jesosy azy.
Ry kristiana, ankehitriny dia mbola io Mpamonjy feno fahasoavana sy famindrampo io koa, manoloana ny fahalementsika, no mifampiraharaha amintsika. Impiry impiry moa isika no manome alahelo Azy, noho ny fahatahorantsika na ny tsy fahampian’ny finoantsika ! Nefa isika rehefa ao anaty zava-manahirana mameno tahotra antsika, dia eo hatrany ilay feo mampitony, miaraka amin’izay, amina teny vitsivitsy.