Zoma 23 Jolay 2021

(Hoy Jesosy :) Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Jaona 13:34

 

Finoana kristiana tsy misy ny hazofijaliana hoe ?

„Mifankatiava ianareo.” Mora ny miray hevitra amin’izany teny nataon’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara izany. Ny tsirairay dia miaiky fa hahasoa ny mampihatra izany. Vokatr’izany dia hilamina sy ho feno fahasambarana ny fiainana eo amin’ny fiarahamonina. Zavamisy hafa dia hafa anefa no asehon’ny fiainana andavanandro. Tsy tambo isaina ny fifandirana, ady, vonoana olona, avy amina fifampialonana sy fifankahalana.

Jesosy kosa, nandritra ny fiainany manontolo, dia naneho fitiavana madio ka feno fahafoizantena ho an’ny hafa. Koa „tahaka ny nitiavako anareo”, hoy Jesosy, no fatran’ny fitiavana andrasany amintsika. Hoy ny Baiboly : „Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” (1 Jaona 3:16). Ilay Marina sy feno fitiavana ny hafa dia novonoin’ireo nahita ny fiaina nasehony : „Ny soa nataoko, novaliany ratsy ; ary ny fitiavako, novaliany fankahalana” (Salamo 109:5). Izany no porofon’ny tsy fahaizantsika mitia araka ny ohatra nomen’Andriamantra, ary koa porofon’ny ilàna fiovana lalina ao anatin’ny olona.

Toetra vaovao, fo vaovao irery ihany no hahataona antsika hanaraka ny ohatra nomen’ny Tompo. Fahadisoana ny mihevitra fa afaka manaraka ny lalan’i Jesosy, na mahasarika toy inona aza izany, nefa tsy mahafantatra fa ratsy ny toetran’ny tena ao anaty lalina ao. Ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia manameloka ny olona nandà Azy fahiny, ary manameloka ihany koa izay mandà Azy ankehitriny. Fa ho an’ireo izay mino Azy kosa, io fahafatesany io dia manome azy ireo zo ho tonga zanak’Andriamanitra. Koa dia mandray ny toetran’Andriamanitra izy ireo, ary afaka manaraka ny lalana nosoritan’i Jesosy ho antsika. Hevi-diso mamitaka fotsiny ihany, raha finoana kristiana tsy misy ny hazofijaliana.