Asabotsy 24 Jolay 2021
Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy ; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Galatiana 3:27, 28
Ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kristiana tany Galatia, ny apostoly Paoly dia maneho an-tsary ny batisa kristiana amina fiovana fitafiana. Jesosy no fitafiana vaovao itafiantsika. Ao amina taratasy hafa nosoratany, dia hoy i Paoly : „Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetrentena, fahalemem-panahy, fandeferana” (Kolosiana 3:12). Toetra nasehon’nyTompo Jesosy ireo ; ireo no toy ny kofehy mamorona ilay lamba itafiana.
Ny fitafiana dia manambara amintsika ny hita maso, ny fomba fiainantsika andavanandro. Fiovana iankinan’aina no mitranga, rehefa mino ny Tompo Jesosy isika. Miova fitondrantenana isika, satria manana aim-baovao, na dia miandalana aza izany fiovana izany, matetika, ary mandroso mihemotra. Tian’Andriamanitra isika mba haneho sy hampahita taratra eny amintsika ny toetra tsara ara-toe-panahy nananan’i Jesosy.
Misy hevitra iray hafa fonosin’ny fitafiana, dia ny firaisana. Fony nanao raharaha miaramila aho, dia nitafy fanamiana : rehefa mahita ahy ny olona, dia ny fanamiana anaovako no hitany, ka fantany fa an’ny tafika aho. Ny fanamiana dia nampiseho ny antoko-miaramila nisy ahy. Toy izany koa, ny batisa dia mampitovy antsika ampahibemaso amin’i Jesosy. Ny batisa dia manafoana ny fefy ara-piarahamonina, ara-kolontsaina, ara-piaviana. Ny batisa dia famantarana fa an’i Kristy isika, ka mifamatotra amin’ireo rehetra nanatona Azy tamin’ny finoana, mba hanana fiainana.