Alahady 25 Jolay 2021
Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ? Misaotra an’Andriamanitra aho, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 7:24, 25
Hidera an’i Jehovah… aho, ary hankalaza ny anaran’i Jehovah Avo Indrindra. Salamo 7:17
Teo amin’ny vatokely teo an-jaridaina, nisy bibikely ngezangeza nandry tamin’ny lamosiny, nikofokofoka, niezaka mafy hivadika, nefa tsy afaka. Nanatona aho, nijery : hay jorery ilay izy. Noraisiko moramora izy, napetrako teo amin’ny tanako ilany, dia taitra be aho fa avy hatrany izy dia nanidina ka tsy hita intsony, nankany anaty hazo. Angamba nianjera tamin’ny tany io bibikely io, asa izay antony. Tsy afaka namadika samirery ny tenany ilay jorery mba hanidina, satria nanelingelina azy ny elany lava, ka raikitra teo amin’ny tany teo izy. Tsy nahafantatra akory aho hoe nanafaka azy tamin’ny toeran-tsarotra nisy azy, rehefa nandray azy ho eo an-tanako. Nanala azy teo amin’ny tany aho, nanala azy tamin’ny fahafatesana, ka namerina azy tao amin’ny tontolony : ny rivotra, ny habakabaka. Dia noraisiko ho karazana fisaorana na hira fiderana ilay kiririokany nony lasa nisidina !
Izany zava-niainana kely izany dia mampahatsiaro ahy ny fiainako tamin’ny vanimpotoana niadiako tamin’ny fakam-panahy, ny fisalasalana ary eritreri-dratsy isan-karazany. Izaho koa dia nihodinkodina, nanimba ny tenako tamina fikofokofohana tsy nahafahako nisandratra akory hihoatra ny toeram-pahantrana nisy ahy. Koa nangatahiko Jesosy mba ho Mpamonjiko, dia niondrika nijery ahy Izy, nandray ahy tamin’ny tanany mahery, nanala ahy tao amin’ny fahafatesana ara-panahy, satria namela ireo fahadisoako, ary nampiditra ahy ao amina fiainam-baovao. Izany dia fiainana mandrakizay, hitohy any an-danitra, miaraka aminy. Ankehitriny dia mihira ny foko, satria feno fankasitrahana. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no Mpanafaka ahy (Jaona 11:44).