Alatsinainy 26 Jolay 2021

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy. Hebreo 4:12

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

 

Tombana momba ny tenako

„Amiko izay dokotera, ny iray amin’ireo antony mandresy lahatra indrindra ny amin’ny herin’ny Baiboly, dia izy manao tombana azo antoka tanteraka momba ny toetrako ara-panahy ; tsy misy boky hafa afaka manao izany. „Mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo [izy]”. Asehony ahy mazava fa izaho, araka ny toetrako ara-nofo, dia voaheloka noho ny fahotako, tsy afaka manana fifandraisana mihitsy amin’Ilay Andriamanitra masina. Nahita izany tao amin’ny Baiboly aho, ary indrindra, nahita fanambarana mahatalanjona momba an’Andriamanitra, Andriamanitra hafa tanteraka noho izay noheveriko. Feno fitiavana sy famindrampo Izy, nanatona ahy tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao, tonga olona mba ho afaka manavotra ahy.

Inoako ny Baiboly, satria natao ho an’ny sarangan’olona rehetra sy ny firenena rehetra. Raha mahafantatra ny Baiboly nefa tsy mino azy, dia mamono tena ara-panahy !

Ary raha mampifandray ahy amina Andriamanitra toy izany ny finoana, dia mandeha any amin’izay rehetra itondrany ahy aho, nefa tsy manohintohina ny sitrapony. Fantatro fa ny sitrapony dia tsara lavitra noho ny eritreritro rehetra, satria tia ahy Izy. Haiko afoy ireo vinavinam-piainako mamy indrindra, ary haiko raisina ho fahadalana ireo hevitra alahatry ny olombelona, rehefa manohitra izay lazain’Andriamanitra ireo vinavina sy hevitra ireo. Tsy misy fetra ny finoana an’Andriamanitra. Ny Baiboly dia mandroaka ny fisalasalana ary mameno fahazoana antoka ny fo. „Ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko” (Jeremia 15:16)”.