Talata 27 Jolay 2021
Fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka… dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy. 2 Petera 2:7-9
Lota kamboty dia noraisin’i Abrahama rahalahin-drainy, izay olon’ny finoana (Genesisy 11:27-31). Izy koa dia nino an’Andriamanitra, araka ny nambaran’ny apostoly Petera, nilaza fa marina izy. Na izany aza anefa, dia nanalavitra tsikelikely an’Andriamanitra ny fiainany.
Sodokan’ny harenan’i Egypta izy, ka nanaiky ho voatarik’izany rehefa nisafidy toerana honenana : „Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana… fa azon-drano avokoa izy rehetra… tahaka ny sahan’i Jehovah, sy tahaka ny tany Egypta”. Koa nosafidiny honenana ny tany lemaka amoron’i Jordana, naha metimety ny fiainana tamin’izany fotoana izany. Ary mbola loza noho izany aza ny nataony, nandeha nonina tany akaikin’i Sodoma, tanàna fantatra noho ny faharatsiany. Dia iny izy fa teo akaikin’ireo olona „tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah” (Genesisy 13:10, 12, 13). Taoriana kelin’izany dia nonina tao Sodoma izy, ka azo babo niaraka tamin’ny mponina hafa rehetra tao, nandritra ny ady iray (14:12). Niditra an-tsehatra ny rahalahin-drainy, nanafaka azy, nefa tsy niova famindra izy. Niverina nonina tao Sodoma izy, ary nanjary olona ambony tao, niandraikitra ny raharaham-panjakana teo am-bavahadin’ny tanàna. Ary rehefa tapitra ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ilay tanàna feno faharatsiana, dia nisy anjely roa tsy maintsy nanala azy an-keriny tao, talohan’ny nandravan’izy ireo ny tanàna manontolo. Tafalatsaka ambany indrindra izy, namoy ny zavatra rehetra, afa-tsy ny ainy sy roa tamin’ireo zanany vavy (Genesisy 19:1-29).
Inona no mba andrandraintsika ? Manintona ny fontsika kristiana aoka izany ve ity tontolo mamirapiratra sy rakotra ota ity, hany ka anokanantsika ny zavatra rehetra, fa tsy mba aleontsika velona ho an’Andriamanitra sy eo anilany ? Mbola afaka manomboka fiainana vaovao isika. Raiso ny tanana atsotran’Ilay Mpamonjy antsika.