Alarobia 28 Jolay 2021
Inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Matio 16:26
Pyrrhus (319-272 tal JK) mpanjakan’i Épire (faritr’i Grisia) dia iray tamin’ireo jeneraly lehibe indrindra teo amin’ny tantara. Nanapa-kevitra izy ho tonga mpanapaka izao tontolo izao. Nitady izay hanitarana ny fanjakany hatrany Makedonia izy, ary avy eo dia nitodika nankany Italia ka naharesy ny Romana, tany Héraclée tamin’ny taona 280, ary tany Ausculum tamin’ny taona 279. Taorianan’i Italia dia nanantena hambabo an’i Carthage sy Afrika izy. Nanontany azy i Cinéas mpanolo-tsainy, indray andro, hoe :
— Dia inona no hataontsika aorianan’izay ?
— Hiala sasatra isika, hoy ny mpanjaka namaly, hisotro mandritra ny andro ary hiala voly.
— Inona no manakana antsika tsy hanao izany dieny izao ? Efa ampy ny rehetra ananantsika, ary amin’izay koa isika dia hisoroka ezaka be mbamina fijaliana sy loza maro.
Nanahiran-tsaina an’i Pyrrhus ny fahamarinan’izany tohan-kevitra izany, nefa mbola notohizany ihany ireo ady fanaony. Dia maty tamina fomba tsy nampoizina izy, rehefa nanafika ny tanànan’i Sparte, voavelina tafo tanimanga natoraka vehivavy iray.
Hendry kokoa ve ny torohevitr’i Cinéas, miohatra amin’ny faniriam-pahefana tsy hita fetran’i Pyrrhus tompony ? Tsia, samy diso hevitra izy roa lahy. Ny iray te hambabo izao tontolo izao, ny faharoa te hanary dia ao anaty fialamboly… „Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany” (Mpitoriteny 4:4), ka mitarika ho amin’ny fahaverezan’ny fanahy. Andriamanitra dia mitaona antsika hikatsaka „ny fanjakany sy ny fahamarinany” aloha (Matio 6:33). Mampitandrina antsika Izy hoe : „Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ?” (Lioka 12:20). Aza adala !