Alakamisy 29 Jolay 2021
Manao ireo kintana lehibe Izy (Andriamanitra), dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo, ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. Joba 9:9, 10
Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny ; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Genesisy 1:27
Ianao ve mba efa nahita sarin’ny Tany nalaina tamin’ny masolavitra lehibe „Hubble” mihodina manodidina azy ? Manaitra ny saina izy ireny, ary mitondra fahatoniana ny hakantony. Ny loko manga no misongadina ao, noho ny fidadasik’ireo ranomasimbeny. Izany no antony iantsoana ny Tany hoe ilay „planeta manga”, raha manao tononkalo.
Nefa inona kosa no hitantsika isanandro, eto amin’ity planeta tsara tarehy ity ? Herisetra, ady, asa fampihorohoroana, tsy fitoviana mihoa-pampana, tsy rariny, kolikoly, aretina, fahafatesana, fihasimban’ny tontolo iainana… Fa inona no antony lalina mahatonga izany toejavatra izany e ? Mamaly ny Baiboly hoe (vakio Genesisy 2 sy 3) : ny lehilahy sy ny vehivavy voalohany, izay noarìn’Andriamanitra araka ny endriny, dia napetraka tao anatina sehatra lavorary ary nifandray tamin’Andriamanitra tam-patokiana tanteraka. Vetivety foana anefa dia nanjary nanjombona izany. Nalain’i Satana fanahy izy mivady, ka nisafidy ny tsy hankatò Ilay Mpahary azy (Genesisy 3:1-6). Dia tapaka teo ny fifandraisany tamin’Andriamanitra. Nipoitra ny herisetra, ary nitranga ny vonoana olona voalohany (Genesisy 4:8). Nanomboka teo dia very ny fifandraisan’ny olona rehetra tamin’Andriamanitra (Romana 3:11, 12), ka izany no niteraka ireo voka-dratsy maro notsahivina tetsy ambony. Ary ny zavatra manetriketrika ho an’ny olona tsirairay, dia ny hoe tsy misy fanafany intsony ary ho mandrakizay izany fisarahana amin’Andriamanitra izany, aorianan’ny fahafatesana.
Koa tsy misy fanantenana intsony àry ve ? Mbola misy, satria Andriamanitra dia tia ny voariny, ary te hametraka fifandraisana ray sy zanaka amintsika tsirairay.
(rahampitso ny tohiny)