Zoma 30 Jolay 2021

Andriamanitra dia mazava… Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 1:5 ; 4:8

Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Ilay planeta manga : ny fahatongavan’i Jesosy Kristy (2)

Ahoana no hamerenana indray, eo amin’ny olona sy Andriamanitra, ilay fifandraisana tapaka noho ny tsy fankatoavan’ireo mpivady voalohany, tsy fankatoavana niteraka ireo vokatra mampihoron-koditra notsahivina omaly ?

Marina sy masina Andriamanitra, ka tsy afaka hikimpy maso tsy hijery ny faharatsiana, fa tsy maintsy manafay izany. Nefa fitiavana ihany koa Izy, ka tsy tiany ho tafasaraka mandrakizay aminy isika. Koa dia nametraka drafitra mahagaga Izy : nanatona antsika Izy, tao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Nandao ny voninahitry ny lanitra Jesosy, ka niditra tao anatin’ny elanelan-toerana sy ny fikorianan’ny fotoana, ary teraka teto amin’ity planetantsika ity, tao amina tranon’omby. Nekeny ny hosamborin’ny olona noarìny sy ny hohomboan’izy ireo teo amina hazofijaliana, 2000 arivo taona lasa izay. Teo amin’io hazofijaliana io Jesosy dia nanaiky hohelohina, hisolo toerana antsika noho ny fahotantsika, nefa Izy tsy mba nanota, na oviana na oviana. Ary nampiharin’Andriamanitra taminy ny famaizana sahaza antsika. Avy eo dia maty Jesosy, ary nalevina.

Raha nifarana teo ny drafitr’Andriamanitra, dia ho nampamoy fo, satria izany tsy misy famonjena azo antenaina. Tsy izany anefa ! Ny afakampitso dia nivoaka ny fasana Jesosy Kristy, nandresy ny fahafatesana. Ny fitsanganany tamin’ny maty dia manamarina fa nahatanteraka izay notakin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny sorona nataon’i Jesosy Kristy : afaka mamela heloka antsika Andriamanitra !

Hoy i James Irwin (1930-1991) mpanamory sambon-danitra : „Ny zava-dehibe indrindra, ho an’ny zanak’olombelona, dia tsy ny nandiavan’ny olona ny volana, fa ny nandiavan’Andriamanitra ny tany, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy”. Nampitsimbadika ny tantara ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Mba nanova ny fiainanao ve izany ? Mba manana fifandraisana amin’Andriamanitra ve ianao ?