Asabotsy 31 Jolay 2021
Isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy. Romana 6:3
Ny razantsika rehetra dia tambanin’ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy, tao amin’ny rahona sy ny ranomasina. 1 Korintiana 10:1, 2
Rehefa nanome ho an’ny mpianany ny famantarana momba ny batisa Jesosy, dia naniraka azy ireo hanao mpianatra ny firenena rehetra, „manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” (Matio 28:19). Izany no zava-miafina lehibe ao amin’ny finoana kristiana : Andriamanitra tokana aseho ao amina Aina telo : Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Nefa raha manohy mamaky ny Testamenta Vaovao isika, dia mahita imbetsaka ny teny hoe „natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo” (na „ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo”), na koa „natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy” (Asan’ny Apostoly 8:16 ; 19:5 ; Romana 6:3).
Mba hahatakarantsika ny hevitr’ireo teny ireo — „natao batisa ho amin’i Jesosy, ho amin’ny anarany”-, dia ampifandraisintsika amin’ny andininy nomena androany izy ireo : „Izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy, tao amin’ny rahona sy ny ranomasina”. Izany dia manondro ny fotoana nandosiran’ny Zanak’Israely avy tany Egypta, notarihin’i Mosesy, ka namakin’izy ireo ny Ranomasina Mena. Nivoaka avy tany amina toerana nisy ny zavatra rehetra nahazatra azy izy ireo, mba ho any amina tany vaovao, tsy fantatra… Hamakivaky taniefitra „lehibe sady mahatahotra” (Deoteronomia 8:15) izy ireo, nefa tsy irery teny am-pandehanana. Andriamanitra nitarika azy ireo, tamin’ny alalan’i Mosesy.
Ny toejavatra niainan’io vahoaka io dia kisarisarin’ny fiainantsika kristiana. Tsy fantatsika izay mbola ho fiainantsika, nefa kosa manana antoka isika fa tsy havela ho irery tsy hanana tanjona na lalan-kizorana. Jesosy dia hiaraka amintsika isanandro.
Matoa aho atao batisa, dia manana ny faharesen-dahatra hoe : Mino an’i Jesosy aho, ary maniry ny ho velona mba ho Azy. Fantatro koa fa tsy handao ahy Izy, fa hitarika ahy isanandro hatrany amin’ny mandrakizay, satria Izy no Mpiandry ahy.
(tapitra)