Alahady 1 Aogositra 2021
Dia niresaka hoe izy (ireo mpianatr’i Jesosy) : Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ? Lioka 24:32
Samy mandrirotra ny olona ny zavatra maro tsy maintsy atao eo anivon’ny fianakaviana, toeram-piasana, ary fiarahamonina, hany ka sahirana izy mihazona ny fiainany hirindra hatrany. Ny mpino koa dia miatrika izany olana izany. Mihamaro kokoa hatrany ny zavatra tokony hatao ao anatina andro iray, ka tokony hampiana ora vitsivitsy ny andro iray ! Tsy matetika loatra ve isika no miteny hoe : „Tsy manam-potoana aho” ? Nefa mahatsapa isika fa mba hiainana ny tena fiainana kristiana, dia zava-dehibe ny hoe vonona hihaino Ilay Andriamanitsika sady Raintsika, amin’ny fotoana rehetra, ary mahatsapa ihany koa fa izany anefa dia tsy tokony hanakana tsy hanatanteraka ny zavatra maro takin’ny fiainana andavanandro.
„Mahita fotoana” mba ho eo akaikin’ny Tompo sy hifankazatra aminy, fotoana hivavahana sy hamakiana ny Teniny, fotoana hifampizarana amina kristiana hafa ny zava-manahirana sy ny fanontaniana mipetraka… anjaran’ny tsirairay ny mahita ny fatra mety aminy, mba hampirindra ny fiainany ara-panahy. Ny finoana no mampifandray antsika amin’ny Tompo Jesosy, Izay loharanom-pitiavana, loharanom-pahazavana ary loharanon-kery. Te ho eo akaikintsika Izy, mba hanova ny laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika, toy ny nataony tamin’ireo mpianatra roa lahy niarahany teny an-dalana hankany Emaosy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy (Lioka 24:32, 33).
Ndao hatao laharam-pahamehana izay rehetra mahakasika ny fifandraisantsika amin’i Jesosy sy ny Ray Izay nampahafantariny antsika, mba tsy handany „ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra” (1 Petera 4:2). Izany maha akaikin’ny Ray Izay tia antsika izany dia harena tsy hay tombanana, mampisy dikany ny fiainantsika manontolo.