Alatsinainy 2 Aogositra 2021
Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. 2 Timoty 3:16, 17
Ny hetsika fanitsiam-pivavahana (Reformasiôna) nanamarika ny taonjato faha-16 dia nahafahana nahita indray ny votoatin’ny foto-pampianarana kristiana, votoaty mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany, dia ireto : ny Soratra Masina irery ihany (Sola Scriptura), ny finoana irery ihany (Sola Fide), ny fahasoavana irery ihany (Sola Gratia), Kristy irery ihany (Solus Christus), ary ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany (Soli Deo Gloria). Mandraka ankehitriny dia mbola mitaona antsika handini-tena izany teny filamatra izany… Ny Soratra Masina irery ihany !
Maro ny feo heno, samy manambara ny fahamarinany avy. Samy hafa izy ireny, mivoatra, ary indraindray mifanohitra. Sarotra hahafantarana hoe inona no horaisina ! Ny fahamarinana ve resaka fomba fijery fotsiny ? Tsy dia mampitony izany rehetra izany !
Nefa kosa misy feo iray tsy mba niova, nandritra ny taonjato maro, dia ny tenin’ny Baiboly ! Ny fahefany, ny maha ankehitriny azy, ny fomba famaliny ny fanontaniana sy ny zavatra ilain’ny olona, ny maha faminaniana azy, dia mampiaiky antsika fa ny Baiboly dia feona Aina ambony noho ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra, ka tsy afaka ho feo hafa ankoatran’ny feon’Andriamanitra…
Koa tsy hahitana soa ve mihaino tsara izay ambaran’Andriamanitra e ? Tsy manao kitoatoa ve raha mandà ny hafatra entiny, na manampy izany amin’ny hevitsika manokana, na tsy mandray afa-tsy izay mandamindamina antsika ?
Taominay ianao hamaky ny Baiboly am-pahatsorana, tsy mametraka hevitra mialoha, ary tsy mijanona akory eo amin’izay hanaitra anao aza, na handreraka anao amin’ny fotoana voalohany amakinao azy. Raha mamaky azy ianao, ka matoky fa Andriamanitra no miteny amin’ny alalany, dia ho boky velona miteny aminao izy. Tsy hiadian-kevitra, ho anao, ny hasarobidiny tsy hita pesipesenina sy ny fahefany. Ny Baiboly no fahamarinana, ilay bokin’Andriamanitra izay mitondra mankany amin’Andriamanitra.
(amin’ny heriny ny tohiny)