Talata 3 Aogositra 2021
Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Romana 2:4
Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana ; izany no hahatongavan’ny soa aminao. Joba 22:21
Angamba ianao tsy manokatra Baiboly mihitsy ? Sa heverinao fa tsy mahakasika anao io boky io ? Ity misy famintinana fohy ny votoatiny
Ny Baiboly dia maneho amintsika ny fahendrena lavorarin’Ilay Mpahary, avy eo ny nidiran’ny ota teto amin’izao tontolo izao, noho ny tsy fankatoavan’ny olona Ilay Mpahary azy. Manaraka izany dia asehon’ny Baiboly ny asa ratsy ataon’ny olona. Fa ny lohahevitra ivon’ny Baiboly dia ny fampahafantarana Ilay nitondra ny vahaolana avy amin’Andriamanitra, mba hamahana ny olana antsoina hoe „ota” sy ny vokany, izany hoe isika, voarin’Andriamanitra, tafasaraka aminy, Mpahary antsika. Iankinan’ny aintsika tsirairay izany, satria „samy efa nanota” avokoa isika rehetra (Romana 3:23).
Isika izay te handray an’i Kristy ho Mpamonjintsika dia tsy maintsy miaiky aloha fa mpanota. Raha tsy misy fahotana mantsy, dia tsy misy fahamelohana, tsy misy fitsarana, tsy mila mpisolo vava, tsy mila Mpamonjy, noho izany tsy misy finoana an’i Jesosy Kristy. Saingy tsy izany no toerana misy ahy sy misy anao, satria tsy misy olona marina, „na dia iray akory aza” (Romana 3:12). Ny olona anefa dia nanantena hihatsara, ka namorona fomba maro ho amin’izany : antokom-pivavahana, fombafomba, fanao isan-karazany, lalàna na faneriterena. Nefa tsy nisy, na inona na inona, nahavaha ny olana antsoina hoe „ota”. Ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahasoavany irery ihany no nitondra ny vahaolana. Afaky ny sorona nataon’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, teo amin’ny hazofijaliana, ny loza hoe tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona. Nefa ho an’ireo izay mandray Azy ho Mpamonjy sy Tompo ihany.
„Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).