Alarobia 4 Aogositra 2021
Raiso… ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy. Efesiana 6:17
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela. Hebreo 4:12
Nandeha fiarandalamby avy any Genève ho any Paris i César Malan, iray efitra tamina lehilahy nahita azy namaky ny Baiboliny, ka nirehidrehitra nanakiana ny foto-pinoana kristiana. Ny hevitra tsirairay naroson’io olona io dia novalin’i Malan teny ao amin’ny Baiboly, tsy nandramany nohazavaina na novoaboasina akory. Isaky ny niezaka hiala tamin’ny alalana fanamarihana iray hafa ilay mpanohitra, dia novalin’i Malan tamina andinin-tSoratra Masina vaovao hatrany.
Nisafoaka ilay mpandeha nony farany, ka nikiaka hoe : „Tsy takatrao ve fa tsy mino izay Baibolinao aho, ka tsy ilaina ny mitanisa azy amiko ?” Ny hany valinteny nomen’i Malan dia ny hoe : „Raha tsy mino ianareo…, hoy Jesosy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo” (Jaona 8:24).
Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia naharay taratasy avy tamina olona tsy fantany i Malan. Izao no soratra tao : „Hitako ihany ianao nony farany, ka notadiaviko ny adiresinao. Iny fihaonantsika tao anaty fiarandalamby iny no kihon-dalana lehibe teo amin’ny fiainako. Tamin’io andro io ianao dia nandray ny sabatry ny Fanahy nanagorobaka ahy tanteraka ; isaky ny nanandrana niaro tena aho, dia nasianao indray tamin’ny lelan’io sabatra io. Nataonao tsapako fa tsy ianao no niadiako, fa Andriamanitra.”
Teo am-pamakiana io taratasy io i Malan dia nahatsiaro ilay tranga, ka nahatakatra fa nanao ny asany ny sabatry ny Fanahy.