Alakamisy 5 Aogositra 2021
Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira ; fa ny lalànan’i Jehovah no sitrany ; eny, ny lalànany no saintsaininy andro aman’alina. Salamo 1:1, 2
Tsy dia manana fotoana firy hieritreretana isika, ato anatin’ity tontolo misaritaka ity… Misavovona ny vaovao, hita hatraiza hatraiza ny mozika sy ny dokambarotra. Eny an-tanàn-dehibe, eny an-toerana falehan’ny besinimaro, eny an-toeram-pivarotana, ny zavatra rehetra dia natao mba hitarihana ny eritreritsika sy hameno ny saintsika.
Mahagaga fa eo anivon’izany tabataba izany dia taomina isika „hianatra misaintsaina”, mba hiaina sambatra kokoa sy tony kokoa. Ny rakibolana dia mamaritra ny fisaintsainana ho fieritreretana, fisainana lalina lohahevitra iray. Koa inona àry no ho lohahevitry ny fisaintsainana hataoko ? Maro ny zavatra foronin’ny saiko, nefa hoy ny Baiboly hoe : „Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany” (Genesisy 8:21). Koa taomin’ny Baiboly isika hisaintsaina momba izay ampianarin’Andriamanitra antsika. Nohafarana i Josoa, teo am-piandohan’ny fiainany, hoe : „Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna (lalànan’Andriamanitra) ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo ; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao ianao sady hambinina” (Josoa 1:8). Ny Tenin’Andriamanitra dia loharano madio. Ampahafantariny antsika ny maha isika antsika, dia ny maha mpanota antsika. Nefa ambarany antsika ihany koa fa Andriamanitra dia tia antsika ary te hamonjy antsika. Tsy vakina toy ny boky tsotra fotsiny tsy akory ny Baiboly. Raha maka fotoana isika hamakina sy hisaintsainana azy, dia hanova antsika izy. Boky velona izy ary miasa, mampisy fifandraisana amin’Andriamanitra, ary ahafahantsika ihany koa mikolokolo izany fifandraisana izany. Amin’ny alalan’ny Baiboly no ahatakarantsika ny sitrapon’Andriamanitra, mba hanatanterahantsika izany. Fitoniana toy inona moa no entin’izany, ho an’ny mpino !