Zoma 6 Aogositra 2021
Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. Jaona 3:3
Fa izay rehetra nandray Azy (Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12
Raha vao teraka isika, dia ny aina ara-batana nampitain’ny ray aman-drenintsika no ahafahantsika mitombo sy mivoatra. Ny vavahadin-tsaina sy ny faharanitan-tsaina ananantsika no mahatonga antsika ho afaka miasa sy mihetsika, mba hidirantsika ao amin’ny fiarahamonina. Ireo toetra ireo, anefa, tsy ahafahantsika mifandray amin’Andriamanitra. Tsy misy lanja, eo imasony, na inona na inona ezaka ataontsika mba hahafaly Azy amintsika : fikasana maha te hidera, asa soa, fomba sy fanao ara-pivavahana. Koa ahoana izany no hanatonantsika an’Andriamanitra, Izay Fanahy (Jaona 4:24) ? Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nitafy ny toetran’olombelona ary tonga tetỳ an-tany, mba hanambara amintsika ny „fanjakan’Andriamanitra”, izay sehatra onenan’ny „fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Romana 14:17). Ahoana no hahafahantsika miditra ao, nefa isika, noho ny toetra maha mpanota antsika, na amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika manokana, dia tsy afaka manatona ny sehatra ara-panahy izay an’Andriamanitra ?
Tsotra ny valiny : tsy maintsy „ateraka indray” isika. Toy ny aina ara-batana, mila fahaterahana voajanahary, ny aina ara-panahy koa dia mila fahaterahana, mihoatra noho ny voajanahary. Izany no ilazan’i Jesosy hoe : „Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:7). Rehefa mandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny ny mpanota iray, dia omen’Andriamanitra io aina ara-panahy io. Nateraka indray izy, ka „tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra” (2 Petera 1:4), ary manjary anisan’ny olona ao amin’io fanjakan’Andriamanitra io.
Tokony hanontany tena an-kitsimpo ny tsirairay, hoe : Tena efa nateraka indray ve aho ?