Asabotsy 7 Aogositra 2021
Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako, dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:16, 17
(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho ; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. Jaona 16:32
„Atỳ an-tranomaizina, toy ny any an-toeran-kafa ihany, dia sarotra zakaina ny hoe nahazo ny fampaherezan’ny kristiana, nefa avy eo navela ho irery, toy ny nafoy.
Tato anatin’ny efitranokely misy anay, dia nanomboka tamin’ny fitsaohana izahay isa-maraina. Indray andro dia tsaroako ity teny ity : Avy ny andro… hilaozanareo ho irery Aho. Nieritreritra ny hevitr’io teny io aho… Ho tafajanona irery miaraka aminao ve aho, ry Tompo ? Hesorina amiko ve ireo rahalahiko, ka ho irery miaraka amin’i Jesosy aho ? Tsia, tsy afaka hisy izany, ry Tompo ! Efa namonjy ahy tsy ho faty mantsy izy ireo, indray mandeha, tamin’ny alalan’ny vavaka. Nomen’izy ireo ahy ny sombi-mofo farany nananany, ary nanohana ahy izy ireo, satria izaho no marefo indrindra.
Tao anatin’ny adiko dia reko ny feon’i Jesosy hoe : Fa tsy ampy anao ve Aho ? Tsy afaka nandà izany aho, ka namaly hoe : Tompo ô, ampy ahy Ianao !
Taorianan’izay aho dia nahatsapa ho maivamaivana. Nozaraiko tamin’ireo rahalahiko niara-voafonja tamiko izany eritreritra izany. Minitra vitsy taorianan’io dia nivoha ny varavaran’ny efitranokely nisy anay, ary nisy polisy niditra. Novakiny tao amina lisitra ny anaran’ireo izay tsy maintsy miala tao. Fantatro mialoha fa tsy anisan’ireo aho. Tsy ho afaka hiantehitra amin’ireo namako intsony aho, nefa tsy irery. Nameno fifaliana ny foko ny famirapiratry ny fanatrehan’i Jesosy.
Ampy amin’ny zavatra rehetra ny fanatrehan’i Jesosy. Matokia fa matoa Izy manala zavatra aminao, dia satria te hanolotra bebe kokoa ny tenany manontolo ho anao.”
Ferenc Visky (Roumanie)