Alahady 8 Aogositra 2021
Ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana. 1 Korintiana 13:13
Hoy Jesosy taminy : Hainao hoe ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Marka 9:23
Ny finoana dia mampiseho ny tanan’Andriamanitra
Miasa ao amin’ny voariny mahatalanjona,
Sy araka ny toetrany tsy mba miova, ho an’ireo izay miaina
Tsy amin’ny fahitana, fa amin’ny finoana.
Ny razantsika dia namakivaky ny tany,
Nino ny heriny sy ireo fampanantenany,
Ka niandry ilay tanàna masin’Andriamanitra,
Tanàna anjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana.
Ary ny mpaminany, tamin’ny finoana
Dia nahita ny andro hiavian’Ilay Mesia,
Mesia mahery mba hanapatapaka ny gadran’ny ota,
Sy hivoaka mpandresy avy ao am-pasana.
Amin’ny herin’ny Fanahy,
Ny Fiangonana dia tsy maintsy manambara etỳ an-tany
Fa ny mpifatotra rehetra dia hafahan’Andriamanitra :
Vaovao mahafaly izany, raisina amin’ny finoana.
Ny finoana dia mahafindra tendrombohitra.
Ho an’ireo izay miantso an’i Jesosy Kristy,
Ny herin’ny Filazantsara dia handresy.
Hain’ny mino ny zavatra rehetra.
Hiaina araka ny herin’ny fampanantenan’i Kristy isika ;
Ary ny masontsika mibanjina Azy, ilay Satroboninahitsika,
Mandra-pahatapitry ny hazakazaka sy ny asa,
Mibanjina Azy, tsy amin’ny fahitana, fa amin’ny finoana.